Fotoana fohy taorian'ny nahatongavan’ny filohan’ny Repoblika Malagasy Hery Rajaonarimampianina tao Lusaka ny 7 jona, dia noraisin’ny filoha Zambianina Edgar Lungu izy.
Nisy ny fifampidinihana teo amin’ny roa tonta, dia ny hampihatra ny fifanaraham-piaraha-miasa, nosoniavina tamin'ny 2008, ary havadika ho tetikasa azo tsapain-tanana, araka ny tenin'ny filoha Malagasy. Nanokatra ny sehatra sy fifanakalozana mba hampitombo ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta izy. Ankoatra ny maha Filohan'ny Repoblika azy dia nitondra ny anarana amin’ny maha filohan’ny COMESA azy ihany koa ny ny tenany. Nanomboka tamin'ny fiorenan'ny fifandraisana ara-diplomatika teo amin’i Madagasikara sy Zambia ny taona 1971, dia tsy tapaka ary manga ny lanitra teo amin’ny fifandraisana. Nohamafisina ny fifanarahana tamin’ny taona 2008, fotoana nitondran’i Marc Ravalomanana. Efa nanambara fa "ireo minisitra amin'ny firenena roa tonta, hifanakalo hevitra mba hampiroboroboana io fiaraha-miasa io. Sehatra maro toy ny fambolena, izay laharam-pahamehana ho antsika, nyfizahantany, angovo, ny varotra ary ny fanabeazana. Hisy ihany koa ny fifanakalozana eo amin’ireo mpampianatra teny Anglisy sy Frantsay amin’ny maha firenena miteny Frantsay antsika, raha toa ka anglisy ny an’ny Zambianina. Nivoitra ihany koa ny fanamafisan’i Madagasikara sy Zambie ny fankatoavana sy fandraisana andraikitra ny fifanarahan’i Paris momba ny fiovaovan’ny toetr’andro satria samy mizaka ny voka-dratsy ny firenena roa tonta. Anisan’ny zavatra goavana hahafahana miatrika izany ny fanomezan-danja sy ny fitrandrahana ny angovo azo havaozina, hoy ny filoham-pirenena. Nambarany fa nanangana tetikasa lehibe momba ny famokarana angovo amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro sy ny herin’ny rano i Madagasikara satria ny 75%-n’ny famokarana ankehitriny dia mandeha amin’ny alalan’ny tobim-pamokarana « Thermiques » avokoa. Noresahina nandritra ny fihaonana ofisialy ny fanamafisana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ary ny fampandrosoana ankapobeny. Nandritra ity fitsidihana ity dia nihaona tamin’ny filoha Zambianina teo aloha Kenneth Kaunda, ihany koa ny filoha Hery Rajaonarimampianina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.