Am-bolana maro izay no nalaza ny fitakiana politika teto amin’ny firenena. Fantatra fa olona tamin’ny andron’ny tetezamita
nametraka izao fitondrana izao ny ankamaroan’ny mpitarika, izay maneho fa Atoa Andry Rajoelina no ao ambadika. Raha zohiana ny tantara, Dr Jean Louis Robinson sy ny mpiara-dalana taminy no tokony hitazona ny toeran’ny mpanohitra taorian’ny fifidianana filoham-pirenena saingy nangina izy ireo. Ankehitriny, manao firesaka mpanohitra ireo olon’ny tetezamita saingy tsy sahy manaraka ny rafitra demokratika fa dia mandeha ho azy tsy misy soridalana arahina akory. Ny toeran’ny mpanohitra eny amin’ny Antenimiera rahateo mbola banga mandrak’ankehitriny. Sarimetsika sy kajikajy politika no betsaka ao anatin’ny hetsi-panoherana misy ankehitriny. Na ingahy Andry Rajoelina na ny Filoha Hery Rajaonarimampianina dia samy manana ny kajikajy amin’izao toe-draharaha misy izao.
HAMPIJABAKA
Mampirisika fatratra ny olony Atoa Andry Rajoelina mba hampiseho ny tsy fahombiazan’izao fitondrana izao. Dradraina ny hoe mijaly ny vahoaka ka tokony hijoro ny rehetra hanongana ny mpitondra ankehitriny ka kendrena hiroboka hitarika olona hidina an-dalambe Atoa Marc Ravalomanana izay mbola ankamamian’ny vahoaka. Rehefa tafalatsaka ao anatin’izany Atoa Ravalomanana ka ho raikitra izany fidinana an-dalambe izany dia ho mora amin’ny mpitondra ny hanasoketa sy hanenjika azy amin’ny lalàna tsy ho anisan’ny mpifaninana amin’ny taona 2018. Atoa Marc Ravalomanana irery ihany mantsy no efa sahy nilaza ny firotsahany ho kadida filoham-pirenena amin’ny fifidianana manaraka eo ary iaraha-mahita ny mbola fankafizan’ny azy ka adversera atahoran’Atoa Andry Rajoelina sy ny Filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina, dia io samy manao izay hampijabahana an’Atoa Marc Ravalomanana hihoa-pefy na ny fitondrana ankehitriny, amin’ny antsojay na ny mpiaradia amin’i Andry Rajoelina amin’ny fandranitana samihafa saingy tsy mety tafalatsaka ao anaty fandrika Atoa Marc Ravalomanana, izy rahateo efa nanambara fa “tsy hitarika olona hidina an-dalambe” izany, fa manaja ny rafitra demokratika. Sarimehitsika entina hampijabahana an’Atoa Ravalomanana avokoa no ataon’ny an-daniny sy ny an-kilany ankehitriny.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.