Tamin’ny andron’ny tetezamita dia efa nalaza fa nataon’i Andry Rajoelina sy ny manodidina azy saribakoly i Hery Rajaonarimampianina. Nalaza fa nataon’ireo lava tanana akaiky kokoa an’i Andry Rajoelina fakana vola ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola notantanany tamin’izany fotoana.
Izay no voalaza fa tsy lanin’ny vavoniny ka nahatonga azy namaly faty sy nanao fahirano ny ekipan’i Andry Rajoelina mandrak’ankehitriny. Samy nanao didin’ny be sandry taminy avokoa ny ankamaroany, kanefa tsy afa-nanoatra i Hery Rajaonarimampianina. Mbola tratra ihany izy ankehitriny, izay voan’ny hevi-petsin’ireo manodidina azy. Ao ny mody niditra ho HVM fa te ho praiminisitra, te ho minisitra… Misy ny ny niditra tao mba hanamorana ny bizina. Ao ny manao tsindry bokotra sy mampiasa ny anaran'ny filoha amin’ny fanararaotam-pahefana, fa dia io mangina tsy mahita atao io ny tenany, ary toa tsy afa-manoatra mihitsy. Misy mihitsy aza ny te ho filoha mafy, ka mampiasa ny fahefam-panjakana sy toa manao fitaovana ny tsy fankasitrahan’ny vahoaka ny filoha ankehitriny hiakarana eo amin’ny toerana. Tsy sahin’i Hery Rajaonarimampianina ny mandroaka ireo olona akaiky azy na dia efa maro aza ny malaza ratsy kanefa tsy mahavita azy ara-bakiteny, fa dia ny manao afera no tena manavanana azy. Efa ela no nahenoana ny laza ratsin’i Claudine Razaimamonjy. Efa ela no nalaza ratsy i Nicole Randrianarison izay nahatrarana volabe 3 000 000 Euros tany Frantsa ny volana desambra 2015. Nandeha ny resaka momba an’i Herisoa Razafindrakoto, izay nalaza ho lava tanana sy tompon’ny fanjakazakana amin’ny fanendrena olona ambony. Eo ihany koa ry Henri Rabary Njaka, tale kabinetra nesorina saingy mbola to teny ao an-dapa.
TSY MANAN-KIANTEHERANA INTSONY
Toy ny angady tsy mahatapaka ahitra ny filoham-pirenena ankehitriny fa voagejan’ireo manodidina azy tanteraka. Tsikaritra ho tsy manan-kianteherana ihany koa, fa izay aleha maneno sahona avokoa, hany ka mangina sy miraviravy tanana sisa hatao satria ireto namana, tsy misaina izay mba hanavotra sy hanarina ny tsy nety, fa ny afera sy ny bizina ihany no laharam-pahamehana. Toa i Hery Rajaonarimampianina indray aza no hatao sorona sy mizaka ny laza ratsin’ny rehetra. Hatramin’ny sehatra iraisam-pirenena no manome lamosina tanteraka azy noho ny laza ratsy amin’ny fitondrany amin’ity kolikoly efa mampiteny ny moana ity, ka tsy hay izay fanapahan-kevitra politika horaisina ato ho ato manoloana izao toe-draharaha izao. Hahavita hanaisotra ireo fandoto iray tandroka ao an-dapa sa hiziriziry lava sy hiandry izay zava-miseho, ka hitaintaina toy ny saobakaka ambody riana lava eto ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.