Politique

Hery Rajaonarimampianina Nisy Frantsay saika hamono ?


  • Alarobia 19 Jolay 2017

Re avy amina loharanom-baovao iray fa nisy ny fikasana hamono ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, tsy ela akory izay ka mersenera vahiny, teratany Frantsay manana fiaviana Alzerianina no nikotrika azy.

 

 Mitondra ny anarana A.H izy ity. Araka io loharanom-baovao io dia nisandoka ho manamboninahitra kolonely Frantsay izy. Voalaza fa nisy fotoana tena nahatoky azy io ny filoha Rajaonarimampianina, hany ka efa tafiditra ny lapa sy nahafantatra ny tokony ho fantatra rehetra ao ity vazaha mersenera ity. Ny tena loza dia efa fantany avokoa ny kipitsopitsony rehetra momba ny fiarovana sy fiambenana ny filoha. Nisandoka ho manampahaizana manokana momba ny fiarovana ity mersenera ity. Efa nisy mihitsy ny fotoana nanofanany ireo andiana mpiambina manokan’ny filoham-pirenena. Efa nanomboka nanara-dia ny filoha ireo olona nampidiriny sy nofaniny ireo saingy tsy mbola natao ho mpiambina akaiky (garde rapprochée) aloha. Nisy anefa ny zavatra nanomboka nampiahiahy ny filoha satria nipoitra tsikelikely ny lainga, hoy ny loharanom-baovao ihany. Tsy maintsy nisy rahateo ny fanadihadiana ifotony natao tamin’ity vazaha milaza azy fa kolonely ity, natao ny fanarahan-dia ka teo no nahitana fa tena mpisandoka i A.H. Nisy fotoana nilaza izy fa ho any Frantsa. Rehefa nojerena anefa ny teny Ivato dia tsy nandeha izy. Tsy vitan’ny hoe nanao fanambarana diso fa tena olon-kafa mihitsy no nandeha tamin’ny anarany. Voaporofo teo ny naha  mersenera azy ary fantatra fa mbola misy teratany Frantsay sy Belza hafa miaraka aminy mety mbola tavela eto Madagasikara ary mety miketrika io famonoana ny filoha Malagasy io. Io tranga io no voalaza fa nahatonga ny filoham-pirenena mivady nikarakara fatratra ny miaramila, indrindra fa ireo mpiambina ny lapam-panjakana Iavoloha sy mpiambina manokana izay vao nahazo trano sy fitaovana tsy ela akory izay. Raha ny fantatra ihany dia efa voasambotra ary nampidirina am-ponja tamin’ny fomba miafina io vazaha mersenera heverina ho nikotrika ny famonoana an’i Hery Rajaonarimampianina io. Tsy fantatra kosa anefa ny fomba niheverany hamonoana ny filoha, ny fotoana ary ny toerana. Taorian’io, araka ny fantatra hatrany, dia niha hentitra ny fiarovana ny filoham-pirenena.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT