Marisarisa ny raharaham-pirenena nefa mbola manangam-pahavalo ihany ny mpitondra HVM.
Mbola adihevitra tsy vita ny raharahan-tany eny Andohatapenaka, izay hizingizinin’Atoa Marc Ravalomanana miaraka amin’ny porofo an-taratasy fa azy, nefa tadiavin’ny fanjakana hatao barofo. Nanambara Atoa Marc Ravalomanana nandritra ny fidinany teny Andohatapenaka ny alatsinainy 5 septambra lasa teo fa ara-dalàna ny maha fananan’ny Tiko Agri ny tany, izay novidiany tamin’ireo olon-tsotra teny an-toerana ka nilazany hoe : « Ity tanin’ny Tiko ity, nahazo onitra avokoa ny tompon’ny tany nividiananay azy tamin’izany mialoha ny fanotofana, tsy nivoaka ny titre ara-dalàna raha tsy nisy izany». Herim-pamoretana kosa no porofo nentin’ny Fanjakana maneho fa azy ny tany. Azony nentina teo anoloan’ny Fitsarana mantsy ny raharaha hodinihina hampanjakana ny tany tan-dalàna sy Fitsarana mahaleotena. Tsy izay no niseho fa naleon’ny mpitondra mandrangaranga herim-pamoretana, avy eo mampiteny olona sy manakarama mersenera politika hitety haino aman-jery hanasa vangy. Dia mamorona hetsika, mba hanodinana ny saim-bahoaka tsy hifantoka intsony amin’iny raharaha Andohatapenaka sy Anosipatrana iny. Nihazakazahana nikarakara ny miaramila, tamin’ny fanolorana fitaovana teny amin’ny toby miaramila miandraikitra ny fampandrosoana eny amin’ny Digy. Samy teny an-toerana ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny praiminisitra Mahafaly Olivier fa samy tsy niloa-bava mikasika io raharaha Andohatapenaka io. Ny Solombavambahoaka Naivo Raholdina no heno tamin’ny onjam-peo tsy miankina iray eto an-drenivohitra omaly. Asa na kisendrasendra na nisy fifandraisany tamin’io fivahinianany tamin’ny radio io ny fandalovany maraina, naka valopy, tao amin’ny minisitera eo anivon’ny fiadidianana ny Repoblika misahana ny tetikasan’ny filoha sy ny fanajariana ny tany sy fampitaovana teo Anosy. Izy irery ihany koa no nanome rariny ny toe-javatra nisy teny Anosipatrana tamin’ny fanafihan’ny milisy ny tobin’ny polisy monisipaly. Efa hitam-bahoaka niparitaka tamin’ny tambajotram-pifandraisana “facebook” ny sary sy horonantsary maneho iny toe-javatra mamoafady iny saingy nikipian’ity depiote ity izany.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.