Politique

Hery Rajaonarimampianina Nihaona tamin’ny filoha Ivoarianina


  • Sabotsy 22 Jolay 2017

Ny alakamisy lasa teo no efa nigadona tany Côte d’Ivoire ny Filoham-pirenena Malagasy noho ny fanatanterahana ny Lalaon’ny Frankofonia andiany faha-8

 any an-toerana, izay nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly. Izy rahateo no filohan’ny Frankofonia amin’izao fotoana izao. Nihaona tamin'ny filoha Ivoarianina, Alassane Ouattara, tao Abidjan  i Hery Rajaonarimampianina omaly 21 jolay, ary niatrika io fihaonana io ny sekretera jeneralin'ny OIF, Michaelle Jean, sy ny tompon’andraikitra ambony iray ao amin'ny OIF, Adama Wane. Nirary ny hahombiazan’ny lalaon’ny frankofonia ny filoha Malagasy nandritra ny fihaonany tamin’ny filoha Ivorianina. Nomarihany nandritra io fihaonana io ny maha-zavadehibe ny vondron’ny frankofonia. Natao tao amin’ny kianja  Houphouët Boiny moa ny lanonam-panokafana ofisialy ity lalao lehibe handraisana tanora hatrany amin’ny 4.000 anjara ity, ka foto-kevitra amin’izany ny hoe firaisan-kiana, fahasamihafana, fahamendrehana. Miisa 53 kosa ireo solontena Malagasy, amin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena sy kolontsaina, ary mety hisy ny fifaninanana momba ny fampandrosoana. Nandrisika sy nampahery ireo solontena Malagasy tao amin’ny tanàna antsoina hoe Akwaba misy azy ireo ny minisitry ny fanatanjahantena sy ny minisitry ny kolontsaina. Raha ny fampitam-baovao moa dia mety hisy ny fihaonan’i Hery Rajaonarimampianina sy ny Filohan’ny Banky Afrikaninana momba ny fampandrosoana (BAD). Eo ihany ny hifanatrehany amin’ireo Malagasy mpila ravinahitra any Côte d’Ivoire.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT