Miezaka maka ny fon’ny mponina sahirana eto Antananarivo ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina amin’izao fotoana izao.
Nanolotra vary, menaka, siramamy ary tsaramaso ho an’ny fianakaviana sahirana miisa 8.000 avy amin’ny boriborintany 6, notontosaina tao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina omaly, ny filoha mivady ary tamin’ny anaran’izy ireo. Niara-dalana taminy kosa ny mpikamban’ny governemanta vitsivitsy sy ny solontena avy amin’ny antenimiera roa tonta. Raha ny resaka nandeha omaly dia ny tanora HVM no voalaza fa saika hanatanteraka ny fizarana sakafo, saingy navadika tamin’ny anaran’ny filoham-pirenena mivady tamin’ny ora farany. Niseho indray omaly ny endrika fihantsiana fanaon’ny filoha rehefa mba manao zavatra kely. “Anontanio aloha ny tenanareo hoe inona no vitanareo teto amin’ny firenena, indrindra fa tamin’ireny vahoaka sahirana ireny fa tsy faly manenjika fitondrana”, hoy izy. Teny izay miantefa amin’ireo mpanao politika, indrindra fa ireo filoha teo aloha. Tsy nisalasala ny tenany nilaza fa raha ampitahaina ny tamin’ny 2 taona lasa dia nihena ny tahan’ny fahantrana teto Madagasikara. Nahomby izany ny fanjakana HVM ? Tsy fizarana sakafo kely tsy mahavita taona no hireharehana fa mitsinjo ny vahoaka sy hanaovana vava be tahaka izany fa fitadiavana vahaolana maharitra hananany fari-piainana tsara sy mendrika kokoa. Tsy ampahafirin’ny harena angonin’ny mpitondra amin’ny alalan’ny afera maloto eto amin’ny firenena ny vola kely sy fanomezana hakana ny fon’ny vahoakan’Antananarivo, izay tsy nisy hatramin’izay fa ny mpitantana an’Antananarivo tamin’ny alalan’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana aza no nofinganiny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.