Vao herinandro vitsy izay i Marc Ravalomanana no nanakiana mafy ny fitondrana tarihin’i Hery Rajaonarimampianina amin’ny resaka tsindritsindry, ary nahavita namoaka vava fa samy hanao zavatra isika ary hahita ny fitondrana.
Tsikaritra ary ankehitriny fa may ny endim-boanjon’ny filoha, ary tsapa amin’ny zavatra ataony fa maka tahaka sady te hanindry mafy an’i Marc Ravalomanana izy. Mitety faritra i Marc Ravalomanana dia manaraka ihany koa ny filoha Rajaonarimampianina. Ilay fihetsika fanaon’i Marc Ravalomanana tsy mihafahafa amin’ny fitakosinana amin’ny vahoaka aza moa dia ezahina mihitsy ny manao “kopikole” azy, raha tsy hilaza afatsy ny fihetsiny tany Mahajanga nitsidika tsena sy niresaka tamin’ny olona teny an-dalambe. Nanao fitsidihana tany ivelany indray i Marc Ravalomanana ka anisan’izany ny tany Alemaina sy Pays Bas narahana fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra amin’ireo teratany Malagasy mila ravinahitra any ivelany, toy ny nataony tany Frantsa, Etazonia… dia mba lasa any Alemaina ihany koa ingahy filoha, ary hamory ireo teratany Malagasy mila ravinahitra any an-toerana. Hararaotina ny resaka fanasan’ny ny solombavambahoakan’ny Repoblika federalin’iAlemaina dia ny Bundestag mba hahafahana mamboatra ny ho avy politika sy toa hampisehoana amin’i Marc Ravalomanana fa tsy izy irery ihany no afaka mankany ivelany sy mifampiraharaha amin’ny vahiny. Ilay fandaharana isan-kerinandro fotoam-bita amin’izao fotoana moa dia fandikana tsotra izao ny fandaharana “Ny tenin’ny filohampirenena” nataon’i Marc Ravalomanana isaky ny alahady amin’ny 6 ora hariva tao amin’ny RNM, folo taona lasa izay.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.