Misafotofoto ny toe-draharaha eto amintsika amin’izao fotoana izao. Tsy milamina ny fitondrana fa tafiditry ny savorovoro tanteraka ka hita ho miady an-trano ny samy olon’ny fitondrana.
Ny Filoha no tsy mahafehy ireo olony sa efa manomboka mitady izay lalany avy ny rehetra ka tsy mankato sy toa mandingana an-dRajaonarimampianina ? Voalaza fa efa tena mafy loha ny minisitry ny vola sy ny tetibola Gervais Rakotoarimanana ka tsy manaiky hobaikobaikoina sy atao fitaovana amin’ny famoaham-bola tsy mazava. Vao afak’omaly ny minisitry ny tontolo iainana, Ndahimanjara Johanita no nilaza fa tsy ara-dalàna indray ireo boaderozy tratra tany Singapour kanefa ny filoha aza tsy taitra tamin’io raharaha io ary ninia nangina sy toa te hanafina. Efa mivoaka ihany koa ny vaovao amin’ny hanalana an’i Honoré Rakotomanana filohan’ny antenimierandoholona amin’ny toerany izay tsy fantatra ny antony. Tsy mazava intsony ny zava-misy ary efa toy ny miady irery i Hery Rajaonarimampianina ka hita ho samy manao ny tiany hatao avokoa ireo olom-panjakana. Efa antomotra ve ny fotoana hirodanan’ny fanjakana ka manomboka manala tena sy mitady lalana ny rehetra ? Efa niaraha-naheno mantsy ny fanehoan-kevitra politika izay somary nahery vaika tato ho ato ny amin’ny tokony handrodanana izao fanjakana izao amin’izay. Efa ela no nandeha ny resaka fa hanova governemanta ny filoham-pirenena saingy tsy afa-manoatra noho ny frankofonia izay efa antomotra ka tsy afaka miditra amin’izany, ka izay no tsy mampivaky loha intsony ireo manodidina azy. Ho tratra farany i Hery Rajaonarimampianina raha izao no mitohy.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.