Politique

Hery Rajaonarimampianina Manandran-doza


  • Alatsinainy 03 Aprily 2017

Tsy takona afenina intsony ny hetraketraky ny fitondrana politika eto amin’ny firenena amin’ireo vovonana sy firehana politika tsy mitovy hevitra aminy.

 

 Mahatoky tena loatra amin’ny fahefana sy ny vola eo am-pelatanana, ka efa mianan-kendry manandran-doza mihitsy. Feno fihantsiana ady ny fihetsiky ny filoha ankehitriny Hery Rajaonarimampianina sy ny ekipany amin’izao fotoana manoloana ny fanozongozonana ireo Ben’ny tanàna amina tanàn-dehibe vitsivitsy, toy ny tany Mahajanga sy Port Bergé. Mandeha ihany koa ny resaka fa mbola ny fanjakana ankehitriny no ambadiky ny fampiatoana ny Ben’ny tanànan’i Toamasina Elysé Ratsiraka. Ny eto Antananarivo dia efa io iaraha-mahalala io ny fisalovanana ny asan’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy fihantsiana ady an-kitsirano. Iaraha-mahita anefa ny fanagiazana ny vola tokony homena ny kaominina ary ny fanjakana foibe mihitsy no toa manao izay hampikatso ny raharaha eto. Any amin’ny taratasim-panjakana moa dia niaraha-nahita ny saika hanesorana ny mari-pamantarana ny kaominina Antananarivo Renivohitra, saingy ny hevitra farany dia nanaovana azy io ho anjorom-bala. Tanjona ny hanala ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, ka porofo hoenti-miady ny hoe tsy mahavita ny asany, ka hosoloina prezidan’ny delegasionina manokana na PDS. Minia tsy mahatadidy sy tsy mba nahay naka lesona tamin’ny tantara fa izay nikitikitika sy tsy nahay niara-niasa tamin’ny mpitondra teto anivon’ny renivohitra, ka nanozongozona ny Ben’ny tanàna, dia tsy tafajanona teo amin’ny fitondrana na inona na inona endrika nisehoany. Izay avy mitantana an’Antananarivo ihany koa no tafakatra eo amin’ny toeran’ny filoham-pirenena raha ny fifandimbiasam-pahefana niainga tamin’ny 2001 no zohina saingy ny fisehony no samy hafa. Efa tandindon’ny ho avy ny zava-misy ankehitriny, ka izay no maha toran-kovitra ny fanjakana ankehitriny ka izao manandran-doza izao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT