Natomboka omaly ny fankalazana ny faha-15 taona niorenan’ny fitsarana ambony Toamasina izay haharitra roa andro.
“Fitsarana tsy mitanila, antoky ny fampandrosoana” no lohahevitra noraisina, araka ny fanambin’ny fitsarana Malagasy hoe “toeram-pikarohana ny marina, fialofan’ny malemy ary andrim-pirenena” sy ny “fitsarana mandala ny fanitsiana sy mahomby antoky ny tany tan-dalàna”. Nambaran’ny filoha voalohan’ny fitsarana ambony, Atoa Ramananjatovo Harison Henri, tamin’ny lahateniny fa tsy ho tratra izany tany tan-dalàna izany raha tsy manana ny fahaleovantenany sy ny vola entina miasa ampy ary mahazo ireo tombontsoany araka ny lalàna misy ny mpiasan’ny fitsarana. Valin-kafatra avy hatrany no nataon’ny filoha Rajaonarimampianina nanao hoe : “malalaka ny mpitsara Malagasy amin’ny asany”. Mila olona hendry sy mitandrina ny marina ary sahy anefa izany. Ho an’ny minisitry ny fitsarana Andriamiseza Charles kosa dia nomarihany fa efa eo am-pandinihina ny mikasika ny tombontsoan’ny mpiasan’ny fitsarana araka ny lalàna ny fanjakana ankehitriny. Na izany aza, mbola sangany amin’ny fanaovana kolikoly eto Madagasikara miaraka ny ao amin’ny fitsarana ary maro ny Malagasy tsy mahatoky intsony ny fitsarana misy eto. Efa nisy ny ezaka natomboky ny fitsarana saingy mbola mila hohamafisina izany. Tsy mila fitaovana sy famatsiam-bola be kosa angamba ny fanovana toe-tsaina e !
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.