Mihantsy ady, miteniteny foana no anton-draharahan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina amin’izao fotoana.
Ny tena mahamenatra, raha tsy hilaza afa ny zava-niseho afak’omaly teny Antanimbarinandriana dia izy filoham-pirenena indray no nisolotena ny vadiny tamin’ny fitokanana ilay tranomboky voalaza fa tetikasan’ny vadin’ny filoham-pirenena, satria tsy hita popoka izay toerana misy ity farany. Tsy atao mahagaga raha milaza ny maro fa ny vadin’ny filoha no tena mitondra sy manjakazaka eto. Zavatra tsy dia manao ahoana loatra no tokanana dia midingin-drambo sy mahavita mihantsy ady na efa tsy manara-dalàna sy manao didin’ny be sandry aza. Lany andro mamingana ny hafa fa tsy mahavita mamaha ny olan’ny Malagasy ny fanjakana HVM tarihiny, ka toa efa kikisan’aretina azo avy amin’ny fitiavan-tseza sy fahefana diso tafahoatra. Any anaty zavatra tsy misy dikany no manangam-bovona fa izay tena asa mivaingana hanasoavana ny Malagasy tsy misy horaisina. Fa mampaninona, ohatra, raha hita tsara ao anaty taratasin’ny fokontany ny mari-pamantarana kaominina Antananarivo ? Zavatra kely ohatra izany no handaniana andro sy handaniana rondoha andro aman’alina noho ny tsy fahaiza-miaina sy ny hakanosana amin’ny fifidianana satria efa diso halam-bahoaka loatra, ka tsy mahatoky tena intsony, fa kajikajy maloto sisa farahery sy fanantenana. Raha tena henjana sy mahavita azy, dia omeo fotoana mazava hoe rahoviana no milamina ny orinasam-panjakana Jirama sy ny Air Madagascar ! Ahoana marina ny atao amin’ity fitsaram-bahoaka isan’andro ity ? Nahoana no misy manampahefana malaina manao fanambaram-pananana ? Inona no tsy hanendrena minisitry angovo ? Ahoana ny momba ireo tandapa malaza amin’ny afera sy ny kolikoly... Raha tena manana hambo sy mahatoky tena ihany koa, dia mamela ny rehetra hiteny any anaty haino aman-jerim-panjakana TVM sy RNM, ary avela hisokatra ny haino aman-jery rehetra fa tsy hoe ny an’ny HVM am-polony sokafana tsy misy fepetra fa ny hafa hanaovana antsojay.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.