Politique

Hery Rajaonarimampianina Ho sahirana izay handimby azy eo.


  • Alarobia 26 Aprily 2017

Ny taona 2009, izay niantomboka tamin’ny hetsi-pandrobana roa sosona, dia ny 26 janoary sy ny 7 febroary no ho nankaty no tena nampitotongana ny toekarena Malagasy raha aravona ny fandinihan’ny mpahay toekarena.

 Araka ny fanazavan’ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena, Mahazoasy Freddy, tsy mbola nisy fiakarana harinkarena ambony noho ilay 8% tamin’ny taona 2007, izany hoe, tao anatin’ny fitondrana Ravalomanana. Nitotongana io taha io vokatry ny krizy ka nahatonga ny fanadihadiana avy eo anivon’ny CREM na ny fiombonan’ireo mpahay toekarena Malagasy namoaka fa niampy 10% ny taham-pahantrantsika tao anatin’ny 10 taona, izany hoe lasa tsy manana ny ampy ny 83%-n’ny Malagasy raha 73%, 10 taona lasa. Raha mbola mitohy ihany koa ny fitondrana hanjakan’ny kolikoly tahaka izay mitranga ankehitriny dia ho ny 0,2%-n’ny Malagasy sisa hanana ny ampy afaka 10 taona. Mitotongana isan-taona anefa ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’ny ady amin’ny kolikoly satria raha laharana 128 isika tamin’ny taona 2015 dia nihemotra faha-145 ny taon-dasa teo, araka ny tarehimarika navoakan’ny transparency international. Ho sahirana, araka izany, izay handimby ny filoham-pirenena eo.

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT