Politique

Hery Rajaonarimampianina Hidi-bingo indray !


  • Alatsinainy 03 Jolay 2017

Sahiran-tsaina i Hery Rajaonarimampianina amin’ny fitantanana ny firenena amin’izao fotoana.

Tena tsy mahalala izay hataony intsony fa toa mitsapatsapa sy mampandry adrisa lava sisa ala olana amin’ny fahasahiranam-bahoaka. Eo amin’ny fitantanana ankapobeny ny firenena, dia tsy hitany intsony izay hatao satria misavoritaka tanteraka ny samy mpitondra. Ao ny manao fitaovana ny fahalalana ny tsiambaratelon’ny samy mpitantana ambony eto amin’ny firenena, ka miezaka manao ny aferany sy mifikitra amin’ny toerany. Ny any ivelany kosa efa mirangorango ny mamba noana te hahazo seza sy fahefana. Resaka mivoaka amin’izao ny fanoloana mpikamban’ny governemanta, saingy hiala an’Ankatso dia Ambohidempona, araka ilay fomba fiteny indray i Hery Rajaonarimampianina ato ho ato, raha ho tanteraka tokoa izay fanovana governemanta izay. Misy ny andian’olona misolelaka mafy amin’ny fanjakana amin’izao fotoana raha nanenjika andro aman’alina no natao teo aloha. Misy amin’izy ireny no re fa hotendrena ho minisitra. Dia tena hidi-bingo indray ny filoha satria tsy mbola tonga ao anaty fahefana ny ankamaroan’ireo voalaza fa hampidirina ao dia efa mazava ny lalan-kivoahany satria hitsipa-doha sy hiala anatin’ny sambo, rehefa antomotra ny fifidianana. Tsy maintsy mitady hirika sy tosika avy amin’ny hery politika hafa anefa ny tenany satria efa tsy azo antoka intsony ny mpiara-dia aminy amin’izao fotoana satria maro no efa manomboka mitsipa-doha sy te handeha irery.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT