Manaitra ny mponina ny fiomankomanana any Imerintsiatosika efa ho andro vitsivitsy izao.
Mandeha ny feo fa ho avy hitokana ny tranompokonolona vaovao any an-toerana ny filoham-pirenena sy ny ekipany rahampitso zoma 23 jona. Herim-po madiodion'ny fokonolona, teo ambany fitarihan'ny Ben'ny tanàna, nomban'ny fanomezan-tanan'ireo vato nasondrotry ny tany sy ny malala-tanana anefa no voalaza fa namitana ny fotodrafitrasa, raha ny fampitam-baovaon’ny mponina any an-toerana. Gaga ny vahoaka raha ny fanjakana no ho avy hitokana fa tsy vitain'ny ao an-toerana raha tsy hoe: voakarakara manokana tany ho any ny Ben'ny tanàna, hoy ny mponina. Hafa no namono ny voay, ary hafa no hiravaka ny vanginy, hoy ny ankamaroan’ny vahoaka any an-toerana. Maro ny milaza fa tsy mankasitraka ny mety ho fijapiana masinina ataon’ny filoha sy ny mpomba azy. Etsy an-kilany anefa dia miezaka mafy miseho vahoaka ny filoham-pirenena ary mitady hevitra isan-karazany hisehosehoana fa mahavita zavatra amin’izao fotoana izao, ka tsy atao mahagaga raha mety hipoitra ny fijapiana masinina isan-karazany. Efa niseho mantsy ny tahaka izany ny 20 aprily lasa teo nandritra ny fitokanana ny EPP teny Andrefanambohijanahary, izay ny filoham-pirenena mihitsy no tonga teny an-toerana sy toa nilaza azy ho nahavita zavatra kanefa ny orinasa karana Filatex no niantoka manontolo ny fandaniana rehetra. Tsy hay aloha na mbola hisososo toy ny vinanto tsy mahare fosa any Imerintsiatosika ny filoha sy ny ekipany rahapitso na ahoana fa dia miandry izay hiseho ny rehetra. Na ny tany Toliara tamin’ity herinandro ity ihany koa aza dia voalaza fa zava-bitan’ny Ben’ny tanàna sy tetikasa tamin’ny andron’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tamin’ny alalan’ny TIC no notokanan’ny filoham-pirenena, ka nisy tamin’ireo manampahefana any an-toerana no tezitra. Na ny olona aza vitsy no nanatrika, ka notambazana vola 2000-5000 ariary hanotrona ny fitokanana, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.