Tsy mahatombona firy eto amin’ny Madagasikara intsony ny filoham-pirenena tato ho ato, fa toa mandosindositra sy tsy te hiatrika ny sedra politika eto amin’ny firenena. Mafampana rahateo ny raharaha politika eto an-tanindrazana, ka aleony mitsoatsoaka any ivelany aloha.
Zara aza misy fihaonana sy fivoriana iraisam-pirenena mba hivoahana hahafahana mandao an’i Madagasikara satria tsy mahazo rariny fa tototry ny kiana andro aman’alina, ary vao mainka nidi-kizo noho ny kapa ranjo politika tsy tamim-piheverana, toy izao atao amin’ny antoko Tiako I Madagasikara izao. Ny 26 jona ny filoham-pirenena no nandao an’i Madagasikara nihazo an’i Frantsa, ka andro maro no nijanonany tany. Nanao tsidi-pahitra kely teto amin’ny firenena ary nihazo an’i Addis-Abeba Ethiopie indray nanomboka ny alahady 2 jolay ary tsy nandrenesam-peo intsony hatramin’izao hoe efa eto an-tanindrazana sa mbola any ivelany. Tsy misy mangarahara ny resaka fandaniana volam-bahoaka kanefa mety hahavitan-javatra raha tantanina amin’ny fomba mangarahara. Tsy atao mahagaga raha manao izay danin’ny kibony ireo olona manodidina azy, izay tsy voaara-maso sy tena tsy voafehiny intsony. Lojika raha mikorosy fahana ny firenena satria na ny olony aza tsy voafehiny mainka fa ny vahoaka Malagasy, izay efa nanome lamosina azy hatry ny ela. Ireo no tena mpandefona ivoho sy nampijabaka azy satria na miezaka manadio tena aza ny filoha ankehitriny dia tsy te hahalala ny ankamaroan’ny ekipany fa mandoto rano andro aman’alina. Hany herin’ny filoha dia ny manamboamboatra ny fifandraisana any ivelany ary mety ho efa vonona amin’ny lalan-kitsoahana, raha ho avy ny andro hirodanan’ny fanjakana HVM.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.