Politique

Hery Rajaonarimampianina Efa mirediredy ?


  • Alakamisy 15 Septambra 2016

Vahinin’ny fahitalavitra Frantsay TV5 monde nandritra ny 15 minitra ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina halina nanomboka tamin’ny 8 ora sy sasany ora eto amintsika.

 

 Tsy arakaraka ny zava-misy eto amin’ny firenena ny ambaran’ny filoha fa lainga tsara lahatra izay toa maneso ny vahoaka Malagasy mihitsy.

 Nokianin’ny mpanao gazetin’ny TV5 mafy ny tenany amin’ny maha firenena mahantra indrindra eto ambonin’ny tany an’i Madagasikara kanefa tsy nahamenatra azy ny nanilika ny lesoka tany amin’ireo mpitantana nifanesy.  Raha dinihina ny fanehoan-kevitry ny filoham-pirenena dia toa fanehoan-kevitr’olona tsy mendrika ny ho mpitarika sy mpitantana fa dia miala andraikitra foana. Ailika any amin’ny resaka krizy nifanesy avokoa ny olana rehetra. Tsy nisalasala i Hery Rajaonarimampianina nilaza halina fa efa vonona ny zava-drehetra amin’ny handraisana ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia kanefa ny asa fanorenana ilay “village de la francophonie” aza efa nambara fa tsy ho vita ara-potoana, ny lalana sasany hosokafana mbola eo am-panotofana tanimbary no miainga izao. Mahakasika ny raharaha 26 jona nisian’ny ra mandrika sy faty olona teny Mahamasina dia nolazain’ny filoha fa misy ambadika politika ilay izy ary toa manondro an-kolaka ireo tsy mitovy hevitra aminy ho tompon’antoka izy. Mahagaga anefa fa tsy nisy mpanao politika nosamborina na natao fanadihadiana efa ho roa volana aty aoriana. Ankoatra izay, tsy nisalasala ny filoha Malagasy nilaza fa mizotra amin’ny tokony ho izy ny ady amin’ny kolikoly kanefa ny mpitondra aza no malaza fa be kolikoly eto ary efa nambaran’ny Bianco fa niha nitombo ny tahan’ny fanaovana kolikoly eto Madagasikara. Mahara-baovao tsara ihany ve, mbola tompon’ny tenany tsara ihany ve i Hery Rajaonarimampianina sa efa mirediredy fotsiny sisa ?

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT