Politique

Hery Rajaonarimampianina Efa manao propagandy


  • Alarobia 28 Septambra 2016

Nifangaro tanteraka ny politika sy ny fanabeazana tany Toamasina. Mazava ny resaka fa manana eritreritra hanao fitaovana politika ny fampianarana indray ny mpitondra HVM.

Nahatratra 1 041 ireo mpampianatra avy ao amin’ny faritra Atsinanana noraisina tamin’ny fomba ofisialy ho mpiasam-panjakana ka nanaovana lanonana manetriketrika tao amin’ny kianja mitafon’i Soavita omaly. Tafiditra amin’ny fandraisana mpampianatra mpiasam-panjakana 10.000 ataon’ny fanjakana, mifanohana amin’ny Unicef izy ireo. Nahazo ny anjarany ihany koa ireo mpampianatra 23.000 nahavita fanofanana amin’ny fampianarana eo anivon’ny sekoly ambaratonga fototra avy amin’ny faritra 15 manerana ny nosy tao anatin’ny 16 herinandro. Tsy misy maharatsy ilay ezaka fa ny nanaitra dia ireto mpampianatra nampanaovina fanamiana mitovy T Shirt miloko fotsy ary misy sarin’ingahy filoha narahana soratra mazava hoe : tetikasan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Ny loko manga sy fotsy an’ny HVM amin’io no misongadina. Ny kabary amin’izany dia efa propagandy ranofotsiny io omaly io. Raha ny fahitana azy dia hofehezin’ny fitondrana tsy hahazo hihetsika izay tsy mitovy hevitra aminy, atao haza lambo na gadraina fa ny filoha sy ny ekipany kosa hanomboka hanao fampielezan-kevitra amin’ny alalan’ny fahefam-panjakana sy ny volam-bahoaka ka mody lazaina hoe hanao filankevitry ny minisitra mitety faritra. Dia handeha ny an-kizarazara sy an-kitolotolotra hambaboana indray ny fon’ny mpifidy. Omaly tany Toamasina izao dia nisy koa ny fanolorana ireo “kits scolaires” miisa 270.565 ho an’ireo EPP miisa 1.664 avy amin’ny Cisco 7. “Kits scolaires” 5 tapitrisa moa no hozaraina manerana ny nosy.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT