Tsy afaka nihaona tamin’ireo filoham-panjakana Frantsay sy Alemana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina nandritra ny fitsidihana nataony tany Eoropa farany teo na dia re tsiliantsofina ihany aza fa efa niezaka mafy ny hanao izany.
Nandray ireo filoha ivoarianina Alassane Ouatarra sy senegaley Macky Sall tao amin’ny Lapan’i Elysée anefa i Emmanuel Macron tamin’ity herinandro ity. Nampiantrano ny fihaonan’ny vondron’ireo tany 20 matanjaka ara-toekarena indrindra manerantany ihany koa i Berlin ny 12 sy 13 jona 2017. Nanasa filoham-panjakana 9 avy eto Afrika rahateo ny lehiben’ny governemanta Alemana sady mpitarika ny G20 Angela Merkel saingy tsy tao anaty lisitra ny filoha Malagasy. Andro vitsy talohan’io anefa no nitsidika an’i Alemaina i Hery Rajaonarimampianina sy ny delegasionina notarihany nahitana olom-boafidy sy mpandraharaha. Marihana fa niatrika io fivoriana goavana io ireo rafitra mpamatsy vola eo anivon’ny Bretton Woods nahitana ny tale jeneralin’ny Tahirimbola iraisampirenena Christine Lagarde sy ny filohan’ny Banky iraisampirenena Jim Yong Kim ary ny filohan’ny Banky afrikanina misahana ny fampandrosoana Akiinwumi Adesina. Voaresaka nandritra ny fihaonana moa ny tontolon’ny fiaraha-miombon’antoky ny fanjakana sy ny tsy miankina, ny orinasa famokarana sakafo na koa ny ady amin’ny kolikoly sy ireo lohahevitra maro momba ny sehatry ny fampandrosoana. Tsy voaantso ny mpitondra Malagasy. Tsotra ny antony : tsy laharampahamehana amin’ny mpamatsy vola ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara satria tsy atokisan’izy ireo ny mpitondra amin’izao fotoana na inona na inona fanadiovan-tena ataon’ireto farany. Ny tany miady aza mbola mahazo famatsiambola betsaka noho i Madagasikara. Tsy miova ny fepetra takian’ny mpiara-miombon’antoka teknika sy ara-bola fa ny fisian’ny fanjakana tan-dalàna, fanaovana ady amin’ny kolikoly, ny mangarahara amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny fanajana ny zon’olombelona. Ireo fotsiny aloha dia efa olana goavana eto Madagasikara raha ny zava-misy isan’andro no jerena koa tsy atao mahagaga raha manilika an-dRajaonarimampianina ny mpiara-miasa vahiny. Mety noho ny tsy mbola mahavoatendry ireo masoivohontsika any ivelany koa. Mila manaiky ilay olona notendrena mantsy ilay firenena hiasany vao tena afaka miasa ao ilay masoivoho.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.