Vaovao politika naresaka tao anatin’ny 48 ora ny fialan’ny Hery Politika Mitambatra (HPM) tao amin’ny ankolafy Zafy Albert. Tsy niandry ela ny valin-kafatra avy amin’ireo antoko sy fikambanana mandrafitra ny HPM izay nanatontosa fivoriana omaly antoandro tetsy amin’ny Villa Elisabeth Ivandry.
Nanamafy ny Dr Razafindrakoto Harison, mpandrindra nasionalin’ny HPM fa iray tsy mivaky ny HPM ary miara-dia hatrany amin’ny ankolafy Zafy. “Antoko sy fikambanana vitsy an’isa atosiky ny fitadiavan-tseza ireo nisintaka ireo dia ny PRM, ny MODEL, ny CSDDM, ny FFMM ary ny ACCMA. Tsy marina ny filazana, noho izany, fa antoko miisa 21 amin’ny 33 niatrika ny fivoriana notontosain’izy ireo no nandany ny fisintahan’ny HPM tsy ho ao amin’ny ankolafy Zafy intsony”. Nambarany koa fa maro an’isa ireo antoko mijanona ao amin’ity vondron-kery ity satria ny 21 amin’ireo 33 nandrafitra ny HPM no efa nanambara ny fiarahany hatrany amin’ny ankolafy Zafy. Tsy mbola fantatra kosa ny hevitry ny ambiny izay tsy tratra antso. Vao nahare iny vaovao iny moa ireo mpitarika ny HPM dia niantso an-tariby sy nampiantso ireo mpikambana rehetra. “Fantatra fa misy tamin’ireo mpivory niaraka tamin-dry Ralison Roger sy ny namany nanao ireny fanambarana ireny no misandoka andraikitra. Raha ny fitanana an-tsoratra anananay dika mitovy mantsy dia nanasonia ny fialana ao amin’ny ankolafy Zafy koa ny CNEF sy ny Challenger kanefa samy nanamafy ny fijanonany miaraka amin’ny profesora ny filohan’ireo antoko ireo rehefa nanontaniana” raha ny fanazavan’ny mpandrindra nasionalin’ny HPM ihany.
Ny fanadihadiana natao koa no namantarana fa Atoa Robert Razaka irery no nisintaka tamin’ireo mpandrindra isa-paritany. Robert Razaka moa no misahana ny faritanin’i Toliara. Hentitra koa ny Dr Razafindrakoto Harison nanambara fa ny “coordination nationale” ihany no afaka manapa-kevitra momba ny vondron-kery fa tsy fivoriana tsotra toy ireny. Ho an’ny Dr Ramiandrisoa Joseph indray dia tsy mahagaga ny fihetsik’ireo antoko niala ireo . “Mpijapy masinina izy ireo satria efa taty amin’ny fifanarahan’ny Maputo-1 vao niditra tao amin’ny ankolafy Zafy rehefa tsy nahita toerana haleha ka ny anaran’ny HPM no nataony fitadiavan-tseza”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.