Politique

Hery Politika Mitambatra “Tsy misy intsony ny maha fanjakana ny fanjakana”


  • Alarobia 02 Jona 2010

Voaporofo izao fa mihatra tokoa ny sazy navoakan’ny Vondrona Afrikanina momba an’i Madagasikara satria tsy voaasa hiatrika ilay fihaonan’i Frantsa amin’ireo firenena Afrikanina tany Nice Frantsa isika, araka ny hevitry ny Hery Politika Mitambatra (HPM) tamin’ny alalan’ny Dr Randriamiandrisoa Joseph.

Henatra ho an’ny firenena ny fametrahan’izao tontolo izao an’i Madagasikara ho iray laharana amin’i Zimbabwe sy Soudan raha ny nambarany. «Mety hiafara amin’ny fahirano ara-diplaomasia ny sazy mihatra amintsika raha mitohy izao zava-misy izao». Momba ny raharaha Wisco, orinasa sinoa hitrandraka vy ao Soalala, dia nambarany fa tsy maintsy mahazo ny fankatoavan’ny fahefana mpanao lalàna ilay fifanarahana vao manan-kery. Tetika fivarotana tanindrazana moa no andraisan’ny HPM azy ity izay tsy hijanona hatreo satria mbola maro ireo dosie kononkononina eo anivon’ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany raha ny tsiliantsofina voarain’ity vondron’antoko ity. Efa am-panomanana ny fivarotana ny bôksita ao Manantenina sy ny arina ao Sakoa ary ny maro hafa ny FAT raha ny fanazavany ihany.

Paikady politika kosa no fahitany ny fanambaran-dRajoelina tsy hilatsaka hofidiana filoham-pirenena sy fametraham-pialany tsy ho filohan’ny ankolafy tarihiny. Amin’ny HPM dia mavaivay tokoa ny raharaham-pirenena ankehitriny ary tsy misy intsony ny maha fanjakana ny fanjakana. «Tena potika tanteraka ny fanjakana satria ireo toko telo andriny mihitsy no efa misy olana. Samy efa fanambarana manameloka ny tsy fetezan’ny fitondrana avokoa izao ny mpitsara, ny administera sivily sy ny mpitsabo ary ireny efa niaraha-nahita ireny koa ny zava-misy ao amin’ny foloalindahy», hoy ity mpikambana ao amin’ny ankolafy Zafy ity. Nampiany fa mampanahy tokoa ny zava-misy ankehitriny, indrindra moa fa efa maro ireo mivoy ny fananganana ny rafitra federalisma any amin’ny faritra vokatry ny hatezerana noho ny zava-misy ankehitriny. Nilaza ny tenany fa miandry fotsiny ny baiko avy amin’ny mpitarika ny vahoaka any amin’ny faritra dia hihetsika saingy noho ny fitsinjovana ny filaminana dia miala nenina farany amin-dRajoelina izy ireo mba hiverenany amin’ny lalana izay itondrany ny firenena ankehitriny.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT