Ny rafitra federaly sy ny fitondrana mizaka tena no mety kokoa ho an’i Madagasikara ary hitondra antsika amin’ny tena fampandrosoana marina, araka ny hevitr’i Herimanana Tsivahiny filohan’ny Hery Mitaky ny Demokrasia (HMD) ao Toamasina.
Hoy indrindra izy nanazava ny heviny : «50 taona izao isika no nampihatra ny rafitry ny fanjakana tokana na état unitaire, saingy tsy nisy ny fampandrosoana mivaingana sy miantraika marina eny amin’ny vahoaka hita taratra. Toa vao mainka aza miha mahantra isan-taona indray ny Malagasy», mbola nanohy ny fanazavany moa izy ary nanipika fa : «mety kokoa amintsika ny fitondrana mizakatena, aleo ny faritra tsirairay avy no hamaha ny olana ao aminy sy Handrindra ny fampandrosoana, satria mahalala ny zava-misy marina ao aminy izy ireo. haingana kokoa ny asa rehetra amin’izay fa tsy hitarazoka be noho ny fiandrasana ny fanapahan-kevitry ny fanjakana foibe ao Antananarivo foana». Notsipihan’i Herimanana Tsivahiny kosa anefa fa tsy midika ho fanilikilihana na fanavakavahana mihitsy ny rafitra federaly na ny fitondrana mizaka tena. Nosy iray isika, hoy izy ka tsy maintsy mifanampy. Manan-karena tokoa i Madagasikara saingy tsy voatrandraka tsara izany harena izany. Manana ny maha izy azy sy ny harena voajanahary ao aminy ny faritra tsirairay avy, ka rariny loatra raha mahazo tombontsoa amin’izany. Tsy maintsy hifampizarana kosa anefa ny harena voajanahary fa tsy hakepok’ilay faritra misy azy fotsiny. Nataony ohatra ny fitrandrahana solika eto amintsika izay any amin’ny ilany andrefana no misy ny 85%. Tsy hoe i Mahajanga irery no higoka ny tombontsoa avy amin’ny solika fa tsy maintsy mahazo ny anjarany amin’izany koa ny faritra hafa, hoy i Herimanana Tsivahiny ; ary tahaka izany hatrany no tokony ho fomba fiasa, tsy maintsy mifampizara sy mifanampy ary mifanohana isika, hoy izy. Tsy hipetra-potsiny arak’izany foto-kevitra ijoroany izany ny HMD fa hanolotra volavolan-dalàmpanorenanana federaly, saingy tsy mbola ato anatin’izao tetezamita izao no hanolorana izany fa amin’ny fotoana manaraka, rehefa tena mijoro ny rafitra eken’ny rehetra, araka ny fanazavan’i Herimanana Tsivahiny ihany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.