Politique

Herisetra politika, ramatahora … “Tsy maintsy raisina ny fepetra”, hoy ny Pr Ranjeva Raymond


  • Talata 16 Novambra 2010

“Krizy avy hatrany no hateraky ny fifidianana voalohany ampiharana io lalŕmpanorenana io”, hoy ny Pr Ranjeva Raymond, omaly, raha nitafatafa tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny trano fonenany eny Ambaranjana izy.

Io no fanehoan-kevitra voalohany nataony taorian’ny fanambarana lehibe nataony tao amin’ny La Rotonde sy ny niverenany avy any andafy toarian’ny fivoahana in-telo miantoana. Niteny tsy ampihambahambana koa ity mpahay lalàna iraisam-pirenena ity, nilaza fa tsy hitany izay maha zava-dehibe io fitsapan-kevi-bahoaka io. Tsy liana ny olona, tsy nisy rahatreo adihevitra namakafakana azy io, fa dokambarotra no betsaka ary hevitra tari-tokana no nanjaka, hoy izy.

Fa naneho ny heviny mikasika ny fitanana am-ponja an’Andriamatoa isany Fetison Rakoto Andrianirina, lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana nandritra ny fifampidinihana nokarakarain’ny vondron’ny mpanelanelana iraisam-pirenena (GIC) tamin’ny fikatsaham-bahaolana mikasika ny krizy politika eto Madagasikara, ary napetrak’io rafitra io ho filoha mpiara-mitantana ny tetezamita, Zafilahy Stanislas, solombavambahoaka voafidy, filohan’ny vondrona parlemantera Tiako i Madagasikara, ny Pastora Edouard Tsarahame avy ao amin’ny Ankolafy Zafy Albert miampy olona am-polony hafa, koa ny Pr Ranjeva Raymond ka nilazany fa fanosihosena ankitsirano ny zo fototra voarakitry ny lalàmpanorenana, ny zo politika sy ny zo maha olom-pirenena sy ny zon’olombelona izao.
 
“Fitanana am-ponja nanaovana zinona ny zo sy ny lalàna velona izany, ary endriky ny herisetra politika sy ny ramatahora entina hanakanana ny fanehoan-kevitra malalaka amin’ny fomba demokratika izao ary ho fanalam-baraka an’i Madagasikara ny mety hanasokajiana azy ho anisan’ireo ho fahavalon’ny fandalana ny fahafahana sy ny demokrasia”, hoy izy nanohy ny fanazavana. Tamin’izany no nanamafisany indray fa “ireo toe-javatra miseho sy fomba fanao ireo dia manaporofo indray ny maha marim-pototra ny fitakianay ny hametrahana fitondrana Tetezamita tsy miandany ary tsy manilika, ahazoan’ny Malagasy maneho ny heviny, hisy hihaino ary afaka mandray anjara feno amin’ny firosoana miandalana amin’ny fametrahana ny fahamarinana, ny rariny sy ny hitsiny ary ny fifampihavanana ao anatin’ny fitoniana tanteraka”. “Tsy maintsy raisina ny fepetra rehetra mba hampitsaharana haingana ireo fihetsika mamohehatra ireo”, hoy izy namarana ny teniny.
 
Jean D.
 
Sary : Ranjeva Raymond nandritra ny dinika tamin’ny mpanao gazety omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT