Politique

Herisetra amin’ny Mpitandrina Tezitra ny FJKM


  • Zoma 25 Janoary 2013

Feno ny kapoaka ! Niala amin’ny fahanginany ny fianakaviamben’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) manoloana ireo herisetra misesy mihatra amin’ireo mpitandrina amin’ity fiangonana lehibe eto Madagasikara ity, tato anatin’izao tetezamita izao.

 Nisy mihitsy ny namoy ny ainy tamin’izany, dia ny Pastera Ranaivo Rivo Arson. Tao ireo nampijaliana sady naiditra am-ponja, toa an’ny Pastera Valisoa Rafanonerantsoa. Tao ireo enjehina sy amoronana dosie eny amin’ny fitsarana noho ny resa-bola. Tao ireo niharan’ny fampihorohoroana sy fandrahonana samihafa ary natao hazalambo mihitsy, toy ny nanjo ireo ao amin’ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana (HMF). Fa ny tsy zakan’ny mpino FJKM ary mahatezitra azy ireo ankehitriny dia ny herisetra, fampijaliana miharo fanimbazimbana ny raiamandreny filoham-piangonana, Rasendrahasina Lala Haja, Mpitandrina.

Nanomboka ny 17 martsa 2009 izany izay nalefan’ny fahitalavitra samihafa teto an-drenivohitra ny zava-nihatra tamin’ny, ary vao ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata 15 janoary teo no notafihin’ny jiolahy tao an-tanony izy. Mametra-panontaniana ny kristianina FJKM hoe : mahaaro ny vahoaka sy ny fanany marina ve ny mpitandro ny filaminana, satria mba mahagaga ihany ny fahitana mpitandro filaminana mirongo fiadiana miaro tranombarotra Karana sy vazaha eran’ny tanàna, nefa ny Malagasy, raiamandrenim-piangonana toy itony viravirain’ny “jiolahy”. Tsy hipetra-potsiny ny mpino FJKM manoloana izany, satria efa tafahoatra loatra. Hanao hetsika fanairana ny FJKM.

Hampaneno lakolosy

Ho fiombonan’aina amin’ny kristiana rehetra manoloana ny zavatra nihatra tamin’ny filohan’ny FJKM sy ny ankohonany, Rasendrahasina Lala Haja, Mpitandrina, dia hisy fiaraha-mientana, fiombonam-bavaka iarahan’ny mpino FJKM rehetra eto an-drenivohitra sy ny manodidina rahampitso sabotsy 26 janoary ao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana, araka ny vaovao nampitain’ireo mpandrindra ny hetsika dia ny mpitandrina isany Randrianarizay Lucien, filohan’ny SAMPATI, Ranaivoniarivo Tiana, Tonian’ny Sekoly Alahady ary Rakotoniaina, Telan’ny SEFALA izay nihaona tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny Foibe FJKM Analakely, omaly tolakandro.

Ankoatra izay dia hiaraka hampaneno lakolosy fanairana in-telo ihany koa ny fiangonana FJKM rehetra manerana ny Nosy amin’io andro io, dia ny amin’ny 6 ora maraina, amin’ny 12 ora atoandro ary amin’ny 2 ora tolakandro. Izany dia hanairana ny Malagasy rehetra sy izao tontolo izao fa tsy misy fandriampahalemana eto Madagasikara raha raimandrenim-piangonana toy ireny no hiharan’ny herisetra amin’izay tsy vao indray mandeha fa efa mateti-piavy. Araka ny fantatra ihany koa dia hamoaka fanambarana miezinezina ny Birao foibe FJKM mandritra io fotoam-pivavahana hotontosaina ao Isotry Fitiavana io. Etsy amin’ny Foibe Analakely moa no hanomam-panahy ireo mpitandrina rehetra amin’ny iray ora sy sasany avy eo vao hihazo an’Isotry Fitiavana. Mitsinjara amina sinaodam-paritany 37 ny FJKM eto Madagasikara, iray kosa any ivelany. 1300 ireo pastera misahana fiangonana manodidina ny 5 arivo manerana ny Nosy.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT