Politique

Herintaona lasa izay … Niditra teny Ambohitsorohitra Rajoelina


  • Alarobia 17 Martsa 2010

Tsy niandry ny lahatenin’i Marc Ravalomanana amin’ny famindrany ny fahefana any amin’ny miaramila, fa tonga dia niditra teny amin’ny lapan’Ambohitsorohitra ny marainan’ny talata 17 martsa 2009 i Andry Nirina Rajoelina, izay notronin’ireo miaramila niandany taminy sy ny mpitolona niaraka taminy hatrizay teo amin’ny kianjan’ny 13 mey.

Tomefy olona ny teny Antaninarenina sy Ambohitsorohitra rehetra iny, fa hanatitra ny filoha vaovao (?), araka ny antsoantso niainga teny an-kianja. Ireo andiana miaramila nanohana ny revolisionina volom-boasary rahateo moa dia efa namaha ny birao rehetra tao amin’ny lapa ny alin’io, ary nivonona ny hampiditra an’i Andry Rajoelina. Samy nifaly ny rehetra teny ambony teny tamin’io fotoana io ary nilaza fa : «tsy verivery foana ny ra latsaka sy ireo maty tamin’ny 7 febroary tamin’iny… lalana iny, satria sady lasantsika ny lapa no azontsika ny fanjakana». Nazava ny resaka teo fa to ny nofin’i Andry Rajoelina sy ireo mpomba azy ary izy ireo indray no hitantana ny firenena nanomboka teo, mandra-pijoron’ny repoblika vaovao.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT