Politique

Hentitra Ravalomanana “Ho avy eny Mahamasina izahay”


  • Alarobia 05 Jolay 2017

Nilaza i Marc Ravalomanana omaly fa am-pilaminana ny hetsika fankalazana ny faha-15 taona niorenan’ny Antoko Tiako I Madagasikara hatao eny Mahamasina ny sabotsy 8 jolay izao.

 

Nilaza i Marc Ravalomanana omaly fa am-pilaminana ny hetsika fankalazana ny faha-15 taona niorenan’ny Antoko Tiako I Madagasikara hatao eny Mahamasina ny sabotsy 8 jolay izao. Fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana no hanombohanay azy, hoy izy. Sanatriavin’ny vava hoe hitondra korontana na hitondra ady izahay fa hitondra fandriampahalemana ary hankalaza an-kahalalana sy am-panajana, ary hankalaza hisaorana an’Andriamanitra, ka tsy hitako izay tokony hanakanana ilay izy, hoy ny Filoha mpanorina ny TIM. Notsiahiviny fa efa nahazo fahazoan-dalana ny TIM, saingy tsy hay na nieritreritra tany indray na tratry ny teriteritery amin’ny hivadian-kevitra ny mpanome. Tsy fanao izany sady tsy mety koa aminay satria izahay efa lasa lavitra be, hoy ny tenany. Efa tamin’ny 30 jona no nahazo alalana ary efa lasa lavitra aty amin’ny 4 jolay, ka dia hiroso fa tsy hihemotra. Haverimberina sy voizina ny hoe mety hiteraka korontana. Tsy hiteraka korontana izany io, fa dia milaza fotsiny izahay hoe hiantoka izahay, hoy hatrany izy nanome toky. Samy Malagasy isika no miresaka fa ny olona ho avy ao dia tsy latsaky ny any amin’ny 40 000, ka misy firy ny mpitandro filaminana afaka hanao izany. Hafa ny taloha hoe hiditra amin’izany fifandoanana izany. Ireo olona ireo efa tena vonona sy hanatanteraka ilay fankalazana raha ny fanambarany. Tena hanao ny TIM ary tsy hihemotra fa milaza ihany koa hoe afaka miara-miasa amin’ny mpitandro ny filaminana mitady hanodidina ny kianja amin’io fotoana io. Fifanomezan-tànana amin’ny mpitandro filaminana sy ny TIM no tokony hisy fa tsy sanatria izy ireo indray no mety hanakorontana ny hetsika atao eny an-toerana. Nahoana moa ny tamin’ny 26 jona no vita fa andao alaintsika ihany koa izy hiambina ny 8 jolay dia mifampiresaka. Efa tongotra mby an-dakana ny an’i Marc Ravalomanana sy ny antoko TIM ary efa tomombana ny serasera sy ny fanomanana, ka fotoana sisa andrasana. Manome toky ny mpanara-dia azy ny filoha teo aloha fa tsy maintsy atao ny hetsika, ka hiroso hatrany ary hotanterahina ilay hira faneva hoe: “Ka sahia andeha hiara-dia, aza kanosa fa avia”.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT