Politique

Hentitra ny ao amin’ny Magro “Tsy hangina raha tsy miala i Andry Rajoelina»


  • Alakamisy 22 Jolay 2010

Miakatra ny feo ao amin’ny Magro Behoririka manoloana ny rahom-bava sy ny fahapotehan’ny firenena amin’ny ataon’ny mpitondra amin’izao fotoana izao.

Hentitra ny tenin’ny pastera Edouard nilaza fa “tsy hangina ny ankolafy telo raha tsy mivoaka ny gadra politika, ary raha tsy miala i Andry Rajoelina». Tsy isika ihany, hoy izy, no mahita sy miaina ny fanosihosena ny zon’olombelona amin’ny fisamborana sy ny fanagadrana olona ataon’ny FAT, fa ny sehatra iraisam-pirenena koa. Misy ny asa atao manoloana izany, na eto an-toerana izany na any ivelany. Mikasika ity farany dia nilaza i Leriva Manahirana, depiote TIM voafidy tao Brickaville, fa “efa mandeha ny sehatra diplaomatika ary mirona aty amintsika izany”. Na izany aza dia mitohy ny fandraisana sy fanangonana ny hetahetany ka ho fanatanterahana izany dia fantatra izao fa hasiana «boite à idées» na vatakely hametrahan’ny Malagasy hetaheta na fitarainany ao Behoririka manomboka izao, araka ny nambaran’i Michel, iray amin’ireo mpandray fitenenana omaly. Ankoatra ny fanentanana politika dia lasa toera fizaram-baovao koa ao amin’ny Magro Behoririka, noho ny tsy fahazoan’ny olona vaovao marina.

Mikasika izany indrindra dia nanao fanamarihana ny pastera Edouard fa “nahazo vahana mihitsy ny FAT rehefa nikatona ny radio Fahazavana”. Nambarany fa “raha mbola tsy malalaka ny RNM sy RVM dia eto (Behoririka) ihany isika no hitabataba”. Mikasika ny dinika Santatra izay isisihan’ny FAT hotontosain’ny Raiamandreny Mijoro ato ho ato ity, dia fanontaniana no napetraky ny tanora izay nosoloin’i Ramy tena omaly : «mbola mendrika hidinika amin’i Andry Rajoelina ve ny ankolafy telo, ary mbola mendrika ho filohan’ny tetezamita ve izy ?». Hanao rodobe hifamotoana ao amin’ity kianjan’ny finoana Behoririka ity indray ny ankolafy telo anio, ary dia ny loko fotsy no hanamarika ny hetsika amin’izany.

 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT