Vonona ny handray anjara amin’ny fihaonambem-pirenena ny PFM na Parti Fédéraliste de Madagascar, araka ny nambaran’ny filohany Henri Lecacheur. Anisan’ireo antoko ao anatin’ny ESCOPOL moa ny PFM ary nanasonia ilay fifanarahana politika teny Ivato sy Vontovorona.
Tsy nandray anjara tamin’ireo fihaonana tany aloha nokarakarain’ny FAT tahaka ny Teny Ifampierana sy ny Dinika Santatra ny PFM satria tsy mbola nisy mazava ny fifanarahana politika tamin’ireny, araka ny nambaran’i Henri Lecacheur. Efa hafa anefa ny fandehan-javatra amin’izao fotoana satria antoko 100 mahery no niara-nanasonia ilay fifanarahana politika. Fandraisan’andraikitra no ataon’ny PFM ary tena hitondra sy hiaro ny heviny ity antoko ity mandritra ny fihaonambem-pirenena, araka ny nambaran’ny filohany. Misintona ny sain’ireo Raiamandreny Mijoro anefa i Henri Lecacheur mba hijery akaiky ny fikarakarana sy fanomanana ny fihaonambem-pirenena, satria mandeha ny feo any amin’ny faritra maro, araka ny filazany fa misy fanovana ny lisitra misy ny anaran’ireo olona hiakatra eto an-drenivohitra hiatrika ny fivoriana. Ka nosoloina ny anaran’ireo tokony handeha, anaran’olon-kafa indray no nasosoka haingana. Tokony havela haneho an-kalalahana ny heviny ny olona mandritra io fihaonambem-pirenena, io, fa tsy resaka kiantranoantrano indray no hatao ao.
Tsy hisy akory ny adihevitra, fa sanatria fehin-kevitra milatsaka avy any ambony fotsiny no laniana ao. Ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina moa dia efa nilaza fa tsy mety amin’i Madagasikara ny rafitra federalista. Azo eritreretina, arak’izany, fa tsy haharesy lahatra firy ny mpizaika ny hevitry ny PFM momba ny federalisma, fa hevitra hafa amin’ny fametrahana fototra matanjaka hijoroan’ny Repoblika faha-4 angamba no hatolotry ny PFM mandritra ny fihaonambem-pirenena. Etsy ankilan’izay koa dia anisan’ireo antoko politika velona ihany saingy mitsipozipozy, ary tsy miseho masoandro raha tsy rehefa misy krizy na olana ara-politika ny PFM, ary tsy dia manana ny lanjany firy eo amin’ny tontolo politika, saingy anisan’ireo antoko an-jatony mitady seza.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.