«Mijaly ny vahoaka, ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny firenena, hita fa misy ny olana ary tsy mahatafavoaka ny baolina ny fitondrana tetezamita izay manomboka mifanakiana sy miady an-trano».
Anisan’ny tenin’i Henri Lecacheur io raha naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena izy. Efa tena mihombo ny krizy, hoy ity mpitarika ny antoko federalista eto Madagasikara ity, ka tokony ho tonga saina amin’izay ny mpitondra eo anivon’ny HAT, ny mpanao politika rehetra tsy an-kanavaka ary ny foloalindahy. Nahitsy fitenenana izy nilaza fa tsy lôjika politika mihitsy ny fihetsik’ireo olona manodidina ny filohan’ny HAT izay, toa mifaninana manangana fikambanana sy antoko etsy sy eroa. “Fa inona ny antony tsy hikambanan’izy ireo sy hampivondronana ny hery eo anivon’ny TGV, izay natsangan’i Andry Rajoelina ?”, hoy ihany ny filohan’ny PFM. Midika izany fa tsy mifankahazo sy tsy mifampatoky intsony izy ireo araka ny fanazavany ihany. Nambaran’i Henri Lecacheur ihany koa fa efa leon’ny sangodim-panina politika ny vahoaka any amin’ny faritra, ka raha tsy hita ny vahaolana dia hiroso amin’ny fametrahana ny rafitra federalista any amin’ny faritra izahay, hoy izy. Nomarihany anefa fa tsy olona mihitsy no hotohanana amin’izany fa rafitra no hatsangana mba hidirana tsimoramora any amin’ny fanarenana ny firenena sy ny tena asa fampandrosoana ny isam-paritra marina. I Henri Lecacheur moa dia anisan’ireo nanohana an’i Marc Ravalomanana tamin’ny 2002 ary efa mpanolotsaina teny Ambohitsorohitra, saingy nanomboka nivadika ho mpanohitra tsikelikely izy rehefa tsy nitovy fomba fijery intsony teo amin’ny fioha teo aloha.
Taorian’ny nahalanian’i Marc Ravalomanana hitantana fanindroany ny firenena ny 2007 izy dia tena nijoro ho mpanohitra ny fitondrana ary nanomboka nitarika olona teny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Teny filamatra nentiny tamin’izany ny hoe «aoka izay!» saingy tsy nahomby loatra io hetsika nokasainy natao io, ary dia nosamborina sy notanana am-ponja vonjimaika izy. Nanohana ny hetsika notarihan’i Andry Rajoelina i Henri Lecacheur tamin’ny 2009 saingy tsy naharitra ela, ary tsy tafiditra teo anivon’ny HAT ihany koa. Niaraka tamin’ny ankolafy Zafy Albert izy, ary anisan’ireo nitaky ny fampiharana ny satan’i Maputo. Saingy ankehitriny dia tsikaritra fa miezaka ny mitady lalana sy mamoha ilay foto-kevitra federalista novoiziny niaraka tamin’i Victor Sikonina indray i Henri Lecacheur ary manana eritreritra ny hanaparitaka izany indray any amin’ny faritra. Izy moa dia anisan’ireo mankasitraka ihany koa ny fametrahana governemanta iarahan’ny sivily sy ny miaramila mitantana, raha izay no hamaha ny krizy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.