Politique

Hatao fitaovana amin’ny 2018 Mijoro ny fikambanana isan-karazany


  • Alarobia 01 Martsa 2017

Manombaka mifoha tsikelikely indray ankehitriny ireo fikambanana isan-karazany, indrindra ireny fikambanam-paritra ireny.

 Anton’izany ny fanomanana fifidianana, ka hampiasaina indray izy ireny hanao propagandy sy hanao fanambarana isan-karazany fa manohana ny kandida izatsy na izaroa. Fomba fanao sy fomba fiadin’ny mpanao politika ny mampiasa ireny fikambanana ireny ho lasa fitaovana hahazoana seza. Fahita matetika eny amin’ny anjerimanontolo, ohatra, ny fitsanganan’ny fikambanan’ny mpianatra avy any amin’ny faritra, saingy matetika no hita any anaty fanambarana politika rehefa tojo vanim-potoana toy izao. Fandre matetika ny fanambarana amin’ny fanohanana olona, ka hisian’ny fanerena an-kolaky ny fikambanana ny hanendrena olona iray ho minisitra. Rehefa mandeha amin’izay kosa anefa ny tombana amin’ny asa vitan’ireny tompon’andraikitra ambony ireny, ka hita fa mendrika ny hoesorina noho ny tsy fahatontosana ny andraikitra, dia mijoro indray izao fikambanana isan-karazany rehetra izao milaza fa tsy tokony hokitikitihina ny olona avy any aminy. Fomba fiady ihany koa ny fananganana vovonana na fikambanan’ny tanora mikarakara hetsika isan-karazany, toy ny ataon-dry Berija sy ry Jean Pierre eny amin’ny anjerimanontolo, ka ny mpanao politika no mamatsy ara-bola azy ireny. Rehefa misy kosa anefa ny ilan’ny mpanao politika azy, dia tsy maintsy mivarotra fanahy satria efa voavidy sy efa voatamby vola, ka na ny hita fa efa mainty aza terena ho fotsy satria ny vola sy ny tombontsoa ihany no mikaonty.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT