Efa mitondra any aminny fifamonoana sy ny fandoranolona ary ny fanaovana tsinontsinona ny fomba malagasy, hoy ny mpanao politika, Harinaivo Rasamoelina raha naneho hevitra tetsy Antaninarenina omaly
. Midika izany fa tsy voafehin’ny fitondrana intsony ny toe-draharaham-pirenena. Mbola mitombona ve ny fitenenana hoe aza korontanina fa avelao hanao ny asany aloha ny fitondram-panjakana ? Ny zava-misy anefa dia arakaraka ny ilazan’izy ireo fa mandeha ny raharaham-pirenena no vao mainka ahitan’ny olona hoe mitotongana izy izany. Raha izao no mitohy dia voatery hiditra amin’ny fanontana vola sandoka ho tena izy izao fitondrana izao mety ho toy ny any amin’ireo firenena afrikanina sasany izay miantsena amin’ny vola iray borety no hitranga eto. Hatramin’ny vondrona iraisam-pirenena mihitsy no efa manakenda ity fitondrana ity, hoy izy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.