Fantatray ny olanareo, hoy ny mpanao politika, Harinaivo Rasamoelina, raha naneho hevitra tamin’ny mpanao gazety tetsy Antaninarenina, omaly.
Miantefa amin’ny vahoaka malagasy io teniny io satria izy ireo no lasibatra voalohany amin’ny zava-mitranga eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Ilana dinika anefa ny olana mianjady amin’ny vahoaka ary voatery ahemotra manoloana ny antsojay atao amin’ny mpanohitra ny fitondrana. Mila mailo ny fitondrana satria arakaraka ny hanaovan’izy ireo hery famoretana no hanamafy ny fianjerany ary ny hevitra marina dia tsy azo tohaina rehefa miaraka amin’ny vahoaka. Nisarika ny fitondrana hampiato ny fanenjehana hatao amin’izy ireo ity mpanao politika ity ary hamoaka ireo nosamborina tany Soamahamanina.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.