Ireo manamboninahitra nandaniana volam-panjakana nahafahany nantevim-pahaizana, saingy hadinon’ny fitondrana nifandimby sy ireo manamboninahitra nasandratry ny politika ireto mampiaka-peo ireto.
Araka ny fantatra anefa dia maro an’isa izy ireo, ary mandray karama isam-bolana amin’ny volam-bahoaka nefa toa mitan-damba fotsiny, na dia tia tanindrazana aza araka ny taratasy nataon’ny Kolonely Andrianjafy Félestin, andiany faha-10 tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe, AD RM4 Mahajanga, mpitondra tenin’izy ireo. Tsy ahita-mangirana ny zava-misy ankehitriny ary mampanahy mafy ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana, hoy ireto manamboninahitra ireto. Notanisain’izy ireo an-tsoratra fa tsy mazava ny tanjona tian-kotratrarina. Vao mainka manampy trotraka izany ny fiovaovan’ny sori-dalana hivoahana amin’ny krizy naroson’ny FAT : tsy voahaja ny fotoana, tsy mazava ny hoenti-manana, na dia efa nitaky ny mangarahara momba izany aza ireo komandy eo anivon’ny foloalindahy ny volana aprily 2010.
Toy ny miaina anaty tany tsy misy lalàna sy lalàmpanorenana ny vahoaka ankehitriny, mitoka-monina ara-diplaomatika ny firenena, manjaka ny kolikoly, mirongatra ny tsy fandriampahalemana ary misy ny tsy maty manota. Mitombo andro aman’alina ny fahantrana ary mihazakazaka ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, izay mitarika amin’ny fahapotehan’ny firenena tanteraka. Raha izao no mitohy dia tsy ho azo ihodivirana ny ady an-trano mahatsiravina sy ny adim-poko eto. Hentitra noho izany ireto manamboninahitra niteny fa mikatso ny firenena ary tsy tafavoakan’ny mpitondran’izao tetezamita izao ny raharaha. Ampy izay ny fanaovan’ny mpanao politika fitaovana ny foloalindahy, izay tsy nanao afa tsy nampahantra ny vahoaka ary koa nampizarazara ny miaramila. Ampy izay, hoy ireto manamboninahitra ireto. Iza no mbola hahavita hanao takalon’aina ny vahoaka, ho fiarovana tombontsoan’antokon’olom-bitsy ? Iza no mbola hahasahy hijery imaso ny Malagasy mpiray tanindrazana aminy ho faty am-pitoerana eo noho ny fitiavan-tenan’ny sasany ? Mila governemanta matanjaka sy mahaleotena, fepetra ilaina hahafahana manomana fifidianana malalaka, madio sy hamerenana ny fahatoniana.
Manoloana izany rehetra izany dia manao antso amin’ny manamboninahitra Malagasy tonga saina izy ireo, mba hivory haingana hiara-hikatsaka an-databatra boribory vahaolana hivoahana amin’izao krizy izao. Atsaharo, hoy ihany ireto manamboninahitra ireto ny fampitahorana sy fandrahonana sesilany amin’ny basy ary ity fonja lava ity. Miantso ny hery velona rehetra, ny fiarahamonim-pirenena, ny antoko politika, ny vahoaka ary koa ny fianakaviambe iraisam-pirenena izy ireo hankato izay fanapahan-kevitra mivoaka ao anatin’io fivoriambe io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.