Politique

Halabato amin’ny fifidianana Mila jerena akaiky, hoy ny AFABE


  • Alarobia 05 Oktobra 2016

Tsy mpikambana ao amin’ny GPPO (Groupe des Partis Politiques de l’Opposition) intsony ny AFABE (Asa Fanabeazana ho an’ny Besinimaro).

Tsy mpanohana no sady tsy mpanohitra ny fanjakana mijoro ankehitriny ihany koa anefa ny AFABE, hoy ny filohany Andriamparany Doudou Michel. Mitovy avokoa mantsy hatreto ny fitakian’ireo fikambanana na antoko mitonona ho mpanohitra amin’izao fotoana izao. Mitolona ho amin’ny famerenana ireo Nosy Malagasy amin’i Madagasikara na koa mangataka tsotra izao ny fialan’ny filohan’ny Repoblika amin’ny toerany. Zava-dehibe kosa hoan’ity fikambanana politika mirona kokoa any amin’ny asa fanasoavam-bahoaka ity ny fijerena manokana ny ady amin’ny halabato miseho hatrany mandritra ny fifidianana eto amin’ny firenena. Lasibatr’io fomba mamohehatra io hatrany ohatra ny AFABE tamin’ny fifidianana solombavambahoaka indroa miantoana nandraisan’izy ireo anjara, araka ny fanamarihan’ny filohany. Nampiavaka ny fikambanana hatramin’izay moa ny fampiroboroboana ny fambolena apemba na «sorgho». Hanomboka amin’ny volana novambra 2016 rahateo ny asa fihariana azy io ao amin’ny distrika Atsimondrano, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny antoko. 

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT