Nisy akony ny fanambarana miezinezina nisesy nataon’ny Filoha isany Marc Ravalomanana, Pr Zafy Albert, ary ny Praiministra teo aloha, Monja Roindefo, mahakasika ny fanaingana ny miaramila mba ho tonga saina ka handray andraikitra manoloana ny raharaham-pirenena.
Porofon’izany, andro vitsivitsy monja taorian’ireny dia nisy manamboninahitra maromaro izay Jeneraly sy Kolonely avokoa, nijoro ka mivondrona anatin’ny Komity Miaramila ho an’ny Fanavotam-pirenena, ary nilaza fa handray andraikitra. Anisan’izany ny Jeneraly Raoelina, ny Jeneraly Rakotonandrasana Noel, ny Kolonely Raberanto, ny Kolonely Coutiti, ny Kolonely Charles sy ny sisa maro izay mananika ny 16 isa. Tao amin’ny tobin’ny BANI tetsy Ivato no nanaovan’ireo ny fanambarana fa handray andraikitra ary tsy manan-kery intsony manomboka izao (omaly) ny andrim-panjakana isan-karazany natsangan’ny FAT. Ora vitsivitsy taorian’izay dia efa nihetsika ny sivily maro mba hanohana azy ireo.
Raikitra ary ny fametrahana barazy tamin’ny lalana mihazo an’Ivato rehefa nandeha ny feo fa hotafihana ao anatin’ny toby izy ireo, toa ireny tamin’ny fotoan’ny fangalana ny FIGN ireny. Vetivety foana dia tapaka tanteraka ny lalana teny Mamory ary niditra an-tsehatra ny Emmo-Reg tamin’ny fanesorana ireto vato sy kodiarana mirehitra natao barazy. Naparitaka tamin’ny tifi-danitra sy ny grenady mandatsa-dranomaso izy ireo. Taorian’izay ny Kolonely Richard Ravalomanana no tonga teny amin’ny BANI ary nanomboka teo koa no nanjavozavo ny tena zava-nitranga. Nizara roa mantsy ny zavatra re teny an-toerana. Tao ny hoe tafiditra tao amin’ny toby izy ary nifampiraharaha tamin’ireo manamboninahitra haka fanjakana. Tao ihany koa no nilaza fa tsy tafiditra velively tao izy ary niverina haka miaramila mba hanampy an’isa ireo Emmo-Reg teny an-toerana izay hiditra ao amin’ny toby ka hisambotra ireo manamboninahitra.
Nandeha mihitsy aza ny feo omaly fa entina eny an-toerana ny BATAC, miaramila mpikirakira ireo fiara mifono vy isan-karazany, miaraka amin’ny fitaovana arifomba, mba entina handravana ireo manamboninahitra ireo. Hatramin’ny fotoana farany nanoratanay anefa dia tsy tontosa izany. Re ihany koa fa nisy ampahany tamin’ireo miaramila tao amin’ny BANI no nivoaka tamin’ny fiara 4X4 telo ary nilaza ny hizotra eny Ambohitsorohitra avy hatrany mba haka ny lapa. Nandeha be ny feo fa nirefodrefotra ny basy teny Analakely sy Antaninarenina omaly alina. Vetivety foana dia niely tamin’ireo tambazotran’ny haino amanjery iraisam-pirenena ny vaovao. Tonga tany amin’ny Faritany ihany ary dia takon’iny raharaha BANI ity ilay fitsapan-kevi-ahoaka. Tantara mitohy...
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.