Politique

Hajo Andrianainarivelo Mitsabaka amin’ny asan’ny PDS Edgard


  • Alarobia 26 Desambra 2012

Misavoritaka tanteraka ny mpitondra FAT akaikin’i Andry Rajoelina. Mifanaraby sy mifandrahona imasom-bahoaka, ohatra, ry Alain Ramaroson sy ry Hajo Andrianainarivelo araka ireny disadisa tamin’ny herinandro lasa ireny.

 Misy koa anefa ireo tsy mifanaja sy mifamingana tsotra izao. Mbola tafiditra ao anatin’izay sangodim-panina izay ny praiminisitra lefitra Hajo Andrianainarivelo raha ny PDS Edgard Razafindravahy kosa no mpifanandrina aminy. Anjaran’ny Kaominina no manatanteraka ny asa fampandrosoana eto an-drenivohitra amin’ny maha tomponandraikitra voalohan’ny tanàna azy. Tsy miraharaha izany anefa ny primatiora lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany fa mitsabaka andraikitra.

Tsy nandalo tamin’ny Kaominina fa famatsiam-bola mivantana avy amin’ny departemanta tantanin’i Hajo Andrianainarivelo no nanamboarana ny lalankely ao amin’ny Fokontany Mandialaza Ambatomitsangana ao amin’ny Boriboritany faha-3. 34 tapitrisa Ariary no tetibola natontona tamin’izany ary efa vita ny asa ankehitriny izay tena maha afa-pahasahiranana ny mponina tokoa, indrindra amin’izao fahavaratra izao. Sady ratsy dia ratsy no tsy nisy lakan-drano mantsy taminy taloha ka tafakatra hatreny an-dohalika ny rano. Tsy afaka mivoaka ny trano na mandeha mody, araka izany, ny mponina raha tsy ritra ny rano. Nidina nijery ifotony ny asa vita ny praiminisitra lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany ny faran’ny herinandro teo. Mazava ho azy fa tsy tazana teny an-toerana ny PDS nefa ao amin’ny faritra iadidiany no misy ilay zava-bita. Mbola nanome toky hanamboatra ny lalankely hafa ao Mandialaza Ankadifotsy sy ny ao Mandialaza Ambodivona i Hajo Andrianainarivelo tamin’io.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT