Politique

Hajo Andrianainarivelo Hijoro ho fahavalon-dRajao


  • Alatsinainy 31 Oktobra 2016

Tapaka tanteraka ny tady, vita hatreto koa ny sarin’ady. Hitsangana ho mpanohitra ny fitondran’i Hery Rajaonarimampianina ny antoko Malagasy Miara-Miainga tarihin’i Hajo Andrianainarivelo.

Izay no tapaky ny mpizaika, nandritra ny zaikabe fanorenana voalohany nataon’ny antoko teny amin’ny FOFIKRI Ankadikely Ilafy - Antananarivo Avaradrano ny 27 28 29 oktobra 2016. Samy minisitra niara-nisaika tamin’ny tetezamita i Hery Rajaonarimampianina sy i Hajo Andrianainarivelo. Minisitry ny fitantanam-bola itsy voalohany, praminisitra lefitra nisahana ny fanajariana ny tany ny faharoa. Samy kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny roa tonta. Tafita Rajaonarimampianina, na tsy nanana depiote na dia iray ao Tsimbazaza aza. Nanolo-tanana, nanohana ny fitondrany ny Malagasy Miara-Miainga (MMM) saingy narefo ny fiarahana taorian’ny fikasan’ny depiote hanongana ny filoha. Nipatitaka hatramin’ny vondrona parlemantera MMM rehefa narovan’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana ka tsy niongana i Hery Rajaonarimampianina, ary dia nanomboka nihanjahanja teo i Hajo Andrianainarivelo. Fiarahana tamin’ireo mpitarika politika hafa tao amin’ny Mitsangana ry Malagasy no nahitana azy. Fiarahan’ny tsy mifampatoky anefa satria samy te ho lohany mpitarika, ka dia io roso tamin’ny zaikabe io ny MMM. Nandinika sy namakafaka ny toe-draharaham-pirenena ny antoko nandritra ny zaikabe, ka nahatsapa fa very hasina ny firenena, tsy misy intsony ny fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka ary mikoroso fahana ny toekaren’i Madagasikara ka mihamahantra hatrany ny mponina, ka tonga tamin’io fanapahan-kevitra io ny antoko ary  hiantsoroka ny andraikitra rehetra araka ny voalazan’ny lalàna momba izany.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT