Politique

Hajo Andrianainarivelo «1er tour dia vita !»


  • Alatsinainy 27 Septambra 2010

Nanamafy ny ministry ny fanapariaham-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Hajo Andrianainarivelo, fa tsy tokony ho olana mihitsy ny fanatanterahana fifidianana Ben’ny tanŕna amin’ny 20 desambra izao.

Manana ny ampy ara-bola sy ara-pitaovana hanaovana izany ny fanjakana, araka ny nambarany. Ary ho an’ny CENI manokana dia efa hatry ny ela ity farany no niomana ny amin’izay fifidianana rehetra tsy maintsy hatao mandritra izao tetezamita izao. Nambarany moa fa ny «scrutin de liste» na ny fifidianana ny lisitra misy ny kandida Ben’ny tanàna sy ireo mpanolotsaina miaraka aminy, no ampiasaina amin’ity indray mitoraka ity, ka fihodinana tokana ihany no atao, dia izay mahazo ny vato maro an’isa eo tonga dia lany.

Momba ilay adihevitra ny amin’ny hoe mametra-pialana ve sa tsia ireo Ben’ny tanàna mialoha ny fifidianana, dia nambaran’ity ministra ao anatin’ny FAT, izay Ben’ny tanànan’Ankadinandriana teo aloha ity, fa tokony haka “disponibilité” ireo ben’ny tanàna rehetra milatsaka hofidiana, ka nametraka ny antotan-taratsy mifandraika amin’izany any amin’ny CENI. Izay no tokony ho izy araka ny nambarany satria, tsy afaka hisahana ny andraikitra maha Ben’ny tanàna azy, sady mbola kandida Ben’ny tanàna mihitsy ny olona iray. Mangarahara sy madio tsara ny fifidianana isaky ny Kaominina amin’izay ary tsy misy ny ahiahy tsy hihavanana, araka ny filazany ihany. Raha ny zava-nisy rehetra hatramin’izay anefa no dinihana dia nampisy adihevitra be sy nampifanolana teny anivon’ny Kaominina mihitsy ity fifidianana ny Ben’ny tanàna “1er tour de vita” ity, satria mety ho vitsy an’isa ny nifidy ny kandida nahazo ny laharana voalohany raha ampitahaina amin’ny fampitambarana ny vato azon’ireo kandida rehetra nifaninana taminy.

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT