Vetivety ny fielezan’ny feo omaly fa voasambotra tany Nosy Be Atoa Razafinjatovo Haja Nirina, minisitry ny vola sy tetibola ary efa minisitry ny fanabeazam-pirenena tamin’ny fitondrana Marc Ravalomanana.
Nisesy ny antso an-tariby avy any amin’ny Faritra, voaray teto amin’ny trano fanoratana manontany ny fahamarinan’io vaovao io. Rehefa natao ny fikaroham-baovao dia nilaza ny mpitandro ny filaminana iray, amin’ny sampana miaro ny sisintany ao Nosy Be fa nisy ny fikasan’io olona voatonona anarana io handray fiaramanidina tao an-toerana hihazo an’i Jobourg Afrika Atsimo, folo andro lasa tany izay, saingy tsy namela azy hiondrana ny tao fa hoe misy didy mandrara azy tsy hivoaka ny faritr’i Madagasikara. Nanamafy anefa io loharanom-baovao io fa tsy nitazona na nisambotra azy izy ireo, tamin’io andro io fa nijanona tamin’ny tsy famelana azy hiondrana. Ny 21 jona 2011 io no niseho. Loharanom-baovao hafa indray no nanampy fa nanandrana ny handray fiaingana amin’ny sidina mankany Frantsa tao Nosy Be ihany izy ny 22 jona, fa mbola nampahatsiahivana azy ny fisian’ilay fandrarana azy tsy afaka miala an’i Madagasikara io.
Nisy indray fikasana fanintelony ny 24 jona 2011. Rehefa izay, dia voatery nakarina tamin’ny fiarakodia nihazo an’Antananarivo izy mba halaina am-bavany, araka ny fanazavana saingy nanomboka teo dia sarotra ny nanamarina ny vaovao. Tsy manamarina ny fisian’ny fisamborana na koa ny maha eto an-toerana azy kosa anefa ireo mahalala an’ity minisitra teo aloha ity. Ny hany voalaza dia misatroka, manao volombava ary niaraka tamin’ny zanany lahy izy tamin’io. Marihina fa nohelohin’ny fitsarana, tao anatin’izao fahefana avon’ny tetezamita izao, efatra taona an-tranomaizina miampy lamady 70 tapitrisa dolara Atoa Razafinjatovo Haja Nirina, tamin’ny 23 jona 2009, rehefa voampanga ho nanodinkodina volam-bahoaka tamin’ny fividianana ny “Force One II”. Mitovy sazy taminy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Fitsarana izay
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.