Mitohy ny fanakatonana radio ataon’ny fitondrana FAT. Taorian’ny radio Fototra, an’ny antoko Hasin’i Madagasikara dia ny onjampeon’ny Fiangonana Advantista indray izao no nakatona.
Ny masoivohony ao Ambatondrazaka sy Toamasina no tratr’ity fanakatonana ity. Nanomboka ny 30 septambra teo no niato ny fandaharan’izy ireo. Izany dia taorian’ny taratasy fampiatoana rehefa mety ho andrana teknika sy fandaharana navoakan’ny ministeran’ny serasera ny 07 septambra 2010. Radio miisa 80 eo no voakasik’ity fampiatoana ity manerana ny Nosy. Radio nahazo fahazoan-dalana ny taona 2009 avokoa izy ireo. Anisan’ireo nihazakazahana nakatona voalohany tamin’izany ny radio Mahafaly tao Antsirabe. Anisan’ireo radio nakaton’ny FAT tamin’ity taona 2010 ity koa ny Radio Fahazavana. Ny 20 mey 2010 no nakatona ity onjampeon’ny Fiangonana FJKM ity ary nogejaina ny fitaovany, izany hoe tsy ao anatin’ny lisitr’ireo radio namoahan’ny ministeran’ny serasera taratasy ny 07 septambra 2010. Na izany aza dia miteraka resabe ny nanakatonana ny Radio Fahazavana. Tsy nanara-dalàna ny fomba nanakatonana.
Tamin’ny andro alina no nanaovana fisavana ny trano sy nanagiazana ny entana tao. Efa herinandro taorian’ny fanakatonana sy figiazana ny entana indray koa vao nivoaka ny taratasy fanatanterahana izany. Ho an’ny mpandinika dia mifono politika tanteraka ny fanakatonana ny Radio Fahazavana. Io rahateo no hany onjam-peo nahafahan’ny filoha Marc Ravalomanana niteny mivantana sy nanehoany hevitra mikasika ny raharaham-pirenena. Manelingelina ny FAT izany ka dia ny fanidiana ny radio no fepetra haingana noraisiny hampiatoana izany. Ankoatra izay dia mpiasa folo tao, ka mpanao gazety ny enina, no nosamborina io 20 mey io ary notanana am-ponja nandritra ny 110 andro tao Antanimora. Fa mikasika ireo radio 80 hakatona, miandry ny rehetra raha ho tratr’io fanakatonana io koa ireo masoivohon’ny Viva any amin’ny faritra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.