Politique

Guy Rivo Randrianarisoa « Manam-petra ny faharetan’ny vahoaka Malagasy »


  • Zoma 28 Aprily 2017

Nambaran’ny mpitondra tenin’ny antoko « Tiako i Madagasikara », ny Kestora Guy Rivo Randrianarisoa, fa efa tena vizana amin’ny fiandrasana lava ny vahaolana entin’izao fitondrana ankehitriny izao amin’ny hanatsarana ny tontolom-piainan’izy ireo, ny vahoaka Malagasy izay efa vizaky ny sondro-bidim-piainana tsy mitsahatra miakatra nefa dia toa mijanona ho antso an’efitra ny fitarainan’izy ireo hatramin’izao.

 Tsy fantatra intsony ny fizotry ny fiainan’ny Malagasy ankehiitriny. Miseholany ny tsy fahaiza-mitantana eo amin’ireo fahefana mpanatanteraka ary mitombo ihany koa ny tandrevaka ataon’izy ireo ka tsy mahagaga raha mikorosy fahana ny fiainan’ny Malagasy. Variana mandamina ny olana eo amin’ireo mpikambana ao aminy  ity fitondrana misy eto amintsika ity ankehitriny. Miandry hatrany ny fijerena vahaolana matotra ny vahoaka Malagasy nefa hatramin’ny rahoviana ? Aoka  ho fantatr’ireo tompon’andraikitra eo amin’ny fitondrana fa manam-petra ihany ny fiandrasan’ny vahoaka satria efa maro amin’izy ireo no tsy afa-misakafo ara-dalàna intsony ankehitriny noho ny tsy fisian’asa sy fidiram-bola matotra.

Efa tsy nitsahatra niteny sy naneho hevitra ny tenako, hoy ity solombavambahoaka TIM voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo Renivohitra ity, noho izao fisian’ny tsy filaminana eo amin’ny fiainan’ny mpiray tanindrazana izao na teto an-drenivohitr’i Madagasikara misy ny toeram-piasako izany tany amin’ireo fitsidiham-paritra hiarahana amin’ny Raiamandreny Marc Ravalomanana any ambany ravinahitra lavitra andriana any ireny.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT