Nambaran’ny mpitondra tenin’ny antoko « Tiako i Madagasikara », ny Kestora Guy Rivo Randrianarisoa, fa efa tena vizana amin’ny fiandrasana lava ny vahaolana entin’izao fitondrana ankehitriny izao amin’ny hanatsarana ny tontolom-piainan’izy ireo, ny vahoaka Malagasy izay efa vizaky ny sondro-bidim-piainana tsy mitsahatra miakatra nefa dia toa mijanona ho antso an’efitra ny fitarainan’izy ireo hatramin’izao.
Tsy fantatra intsony ny fizotry ny fiainan’ny Malagasy ankehiitriny. Miseholany ny tsy fahaiza-mitantana eo amin’ireo fahefana mpanatanteraka ary mitombo ihany koa ny tandrevaka ataon’izy ireo ka tsy mahagaga raha mikorosy fahana ny fiainan’ny Malagasy. Variana mandamina ny olana eo amin’ireo mpikambana ao aminy ity fitondrana misy eto amintsika ity ankehitriny. Miandry hatrany ny fijerena vahaolana matotra ny vahoaka Malagasy nefa hatramin’ny rahoviana ? Aoka ho fantatr’ireo tompon’andraikitra eo amin’ny fitondrana fa manam-petra ihany ny fiandrasan’ny vahoaka satria efa maro amin’izy ireo no tsy afa-misakafo ara-dalàna intsony ankehitriny noho ny tsy fisian’asa sy fidiram-bola matotra.
Efa tsy nitsahatra niteny sy naneho hevitra ny tenako, hoy ity solombavambahoaka TIM voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo Renivohitra ity, noho izao fisian’ny tsy filaminana eo amin’ny fiainan’ny mpiray tanindrazana izao na teto an-drenivohitr’i Madagasikara misy ny toeram-piasako izany tany amin’ireo fitsidiham-paritra hiarahana amin’ny Raiamandreny Marc Ravalomanana any ambany ravinahitra lavitra andriana any ireny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.