Andrasana ny valin’ny fangatahana napetraky ny Antoko Tiako I Madagasikara hanatanteraka ny faha-15 taona niorenany eny Mahamasina.
Resaka voizina ny hoe hisy fanakorontanana, ka nametra-panontaniana i Guy Rivo Randrianarisoa omaly hoe fa maninona no haverimberina fa hisy hanakorontana ? Tompon’andraikitra tamin’ny fangatahana aho ka raisiko ny fanehoan-kevitr’i Rivo Rakotovao amin’ny tsy tokony hanaovana hetsika eto Antananarivo ny TIM, saingy tsy tany amin’ny HVM ao no nandefa iny fangatahana iny, hoy izy. Mandeha ny rugby, mandeha ny baolina kitra, mandeha ny fety,… saingy milamina fa nahoana no rehefa ny TIM dia resahina ny hoe korontana ? Nanamafy ny tenany fa fotoam-pivavahana, rindran-kira, fampisehoana no ao fa tsy misy politika. Sahy milaza izahay fa hofehezinay ny resaka fandriampahalemana, hoy ity solombavambahoaka ity. Vonona amin’ny fifampidinihana ny TIM na ara-bola na amin’ny maha olombelona mikasika ny filaminana. Tsy toy ny tamin’ny 2009 no hataon’ny TIM satria tamin’izany hetsika politika no natao mba hoenti-manongana fanjakana. Fety ranoray no hatao fa aoriana kely miresaka politika. Teto Antananarivo no niaingan’ny TIM, ka eto no hanombohana ny fankalazana ary hivelatra amin’ny faritra 22 dia hivelatra. Tsy hampiseho ho mahazaka olona fa hankalaza am-pifaliana ny tsingerin-taonany ny antoko, ary vonona ny hiaro ny fanjakana aza manoloana ny mety ho fihoaram-pefy hanongam-panjakana. Mikasika ny fitadiavana toeran-kafa dia efa fantatray fa tsy ho azonay ny Coliseum. Ny kianjaben’i Mahamasina no hitanay fa mety satria misy ny fiaraha-miasa azonay atao amin’ny kaominina, hoy hatrany ity solombavambahoaka ity. Nametrahanay fangatahana tompon’andraikitra, ary afaka mifampidinika, ka raha ny mikasika ny mety ho fanakanana dia tsy iadian-kevitra fa ny didy avy amin’ny tribonaly no ambony indrindra, hoy izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.