Tsy mahagaga anay antoko Tiako I Madagasikara ny fialan’ny minisitry ny vola Gervais Rakotoarimanana ary efa tsikaritra hatry ny ela tamin’ny fifaneraseran’ny depiote tamin’ity minisitra ity fa tsy mifanaraka amin’ny soatoavina arahiny ny foto-kevitry ny fitondram-panjakana misy azy, hoy ny
solombavambahoaka Guy Rivo Randrianarisoa omaly teny Tsimbazaza. Ahafahana manaporofo izany ny fanambaran’ny minisitra fa tsy mitovy ny fomba fijeriny sy ny fahitany ny zava-misy eo aminy sy ny governemanta misy azy. Toa manamafy ny tenin’ny filoha Marc Ravalomanana teny amin’ny fetim-pirenena Frantsy ny 14 jolay teny Ivandry izany, fa tsy mitovy fijery ny Malagasy sy ny Banky iraisam-pirenena ary ny FMI, ka ity farany aza dia nahasahy nilaza mihitsy fa lany andro izahay mandinika ny momba an’i Madagasikara. Midika izany fa tsy voaaraka ny fenitra takian’ny avy any ivelany eo amin’ny fitantanana mangaraharaha eto Madagasikara izay antony mampikatso ny famatsiam-bola. Diso adversera rahateo ny fanjakana HVM, ka tsy misaina afa-tsy ny hanao kapa ranjo politika satria mbola te hifikitra amin’ny seza, ka manao adin’ny kanosa. Variana amin’ny fandrarana ny TIM tsy hankalaza ny tsingerin-taona faha-15 niorenany sy ny hetsika saika ataon’ny MLE ankehitriny, hoy ny depiote Guy Rivo Randrianarisoa ny fitondram-panjakana , ka tsy izay ahitana vahaolana ho an’ny firenena sy ny fampandrosoana azy no himasoany. Nanamarika moa i Guy Rivo Randrianarisoa fa amin’ny maha solombavambahoaka sy mpitondra tenin’ny TIM azy ny fanambarana nataony.
Fanovana governemanta
Mikasika ny mety hanovana manontolo na amin’ny ampahany ny governemanta, indrindra fa ny momba ny praiminisitra dia nampahatsiahy ny voafaritry ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-54 i Guy Rivo Randrianarisoa, fa ny vondrona maro an’isa eny amin’ny antenimiera no manendry ny praiminisitra, ka tsy hay na mbola sahy hamorona maro an’isa sadasada indray ny fitondrana HVM na hanaiky fa ny TIM, MAPAR, ary ny MMM no vondrona manana solombavambahoaka maro, ka tokony hajaina izany raha hosoloina olon-kafa I Mahafaly Solonandrasana Olivier. Miandry ny rehetra hoe hanaja ny lalàna ve ny fanjakana sa mbola hanao ny mikimaky sy ny politika malotony ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.