Politique

Guy Maxime Eny Antanimora !


  • Talata 23 Novambra 2010

Omaly no niakatra fampanoavana Ralaiseheno Guy Maxime, filohan’ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna eto Madagasikara (AMM) izay voasambotra nandritra ny hetsika notarihany tetsy Analakely ny sabotsy 20 novambra lasa teo.

Adiny iray sy sasany ny faharetan’ny fakana ambavany azy nataon’ny lehiben’ny fampanoavana izay nanomboka tamin’ny 1 ora tolakandro ka hatramin’ny 2 ora sy sasany. Naiditra amponja vonjimaika eny Antanimora avy hatrany Ralaiseheno Guy Maxime taorian’izay mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy ny alakamisy 25 novambra izao amin’ny 1 ora tolakandro eny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy ihany. Fanaovana fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana moa no antony iampangana ity Ben’ny tanàna ity. Nampian’ny praiministry ny tetezamita aza fa tokony ho tany amin’ny nahalany Ben’ny tanàna azy tany izy no nanao fihetsiketsehana fa tsy taty an-drenivohitra izay tsy tanànany akory. Tsipihina fa ny tsy fanekena ny fifidianana no antony tena nivoahan’ireto ben’ny tanàna ireto tamin’ny fahanginana. Vao tsy nanomboka akory anefa ny fihetsiketsehana dia efa any am-ponja sahady... Manoatra noho ireny jiolahy nanao heloka bevava ireny ny fandraisan’ny FAT an’ity filohan’ny AMM ity satria henjana tokoa ny fitandroana ny fahalemana teny Anosy tamin’io omaly io. Feno mpitandro ny filaminana mitam-basy avokoa mantsy ny anaty sy ivelan’ny lapa ka na ny mpanao gazety aza dia tsy nahazo niditra tao.

Yves
 
NDLR : Olon-kafa mitovitovy endrika amin’ity Ben’ny tanànan’Ankaraobato sady filohan’ny AMM ity no saika nosamborin’ny Emmo-Reg teny Anakalely ny sabotsy teo. Efa nohodidinin’ny miaramila izy, saingy nisy tamin’ireto farany angamba nahalala fa tsy io no olona asaina hosamborin’izy ireo ka dia avotra io sivily io.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT