Politique

GTT Nidina an-dalambe tao Parisy nanamarika ny 26 jona


  • Talata 29 Jona 2010

Ho fanoherana ny fitondran’i Andry Rajoelina izay ambaran’izy ireo fa mpandika lalàna sy mpanongam-panjakana dia nanao fihetsiketsehana an-dalambe tao Parisy renivohitra Frantsay ny sabotsy 26 jona lasa teo ny Gasy Tia Tanindrazana (GTT).

Notanterahana tsy lavitry ny masoivoho Malagasy any an-toerana, izay nisiana fety aman-danonana moa izany. Tsy miova hatramin’izay ka hatramin’izao ny fitakian’ny GTT, dia “ny fialan’i Andry Rajoelina sy ny FAT (Fahefana Avon’ny Tetezamita) tsy an-kanavaka” izay, araka ny filazan’izy ireo dia mampitombo isan’andro ny fahorian’ny Malagasy ary tsy manana mihitsy izany hoe fitiavan-tanindrazana sy hambom-pom-pirenena izany.

Fa ny «Collectif pour Madagascar de la Réunion» koa dia naneho ny fanoherany ny fitondran’ny FAT sy Andry Rajelina ny sabotsy teo tao amin’ny nosy La Réunion. Nisafidy ny hametraka fehi-tanana mainty no sady nampidina ny saina Malagasy ho mariky ny fisaonana izy ireo. Nanamafy ary ry zareo avy ao amin’ny «Collectif pour Madagascar de la Réunion» fa “fampahoriana ny Malagasy tsotra izao no ataon’i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy, ka tsy azo ekena velively izany”. Takiana, hoy izy ireo “ny hametrahana ny tena demokrasia sy ny fahafahana eto Madagasikara ary tsy maintsy averina ny ara-dalàna”. Nilaza ny hanohy hatramin’ny farany ny tolona ho fanoherana ny FAT sy ho fanohanana ny ankolafy telo moa ireto Malagasy any ampitan-dranomasina ireto mandra-piverin’ny ara-dalàna sy ipoiran’ny tena fahaleovantena marina.
 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT