Politique

GTT Iraisam-pirenena Diniky ny samy Malagasy ihany


  • Alatsinainy 10 Desambra 2012

Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena dia miantso ny SADC ny vondrona GTT Iraisam-pirenena mba ho marina sy mahitsy amin’izay fanapahan-kevitra raisiny.

 Eo koa ny tokony hihainoan’izy ireo ny hevitry ny Malagasy izay nilaza mandrakariva fa tsy misy afa-tsy ny vahaolana eo amin’ny samy Malagasy no hamahana ity krizy politika ity. Amin’ny maha mpanelanelana ny SADC dia tsy tokony handidy na koa hiandany ho mpiray tsikombakomba amin’ny mpanongam-panjakana izy. Tokony hanaraka hatrany izay tsoakevitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny SADC. Anisan’izany ny fanambaran’ny ACP/UE ny amin’ny tokony hisian’ny fihaonana maika eo amin’ny samy Malagasy aty Madagasikara. Fihaonana handraisan’ireo filoham-pirenena lanim-bahoaka hatramin’izay, hoy ny GTT Iraisam-pirenena.

Ankoatra izay dia nasian’ity farany tsindrim-peo manokana ny momba ny fampiharana ny sori-dalana, indrindra ireo andininy 16, 17, ary 20 izay tokony ho laharam-pahamehana ka anjaran’ny SADC izay niantoka io sori-dalana io no manery ny ankolafy Rajoelina hampihatra azy an-tsakany sy an-davany. Mampitandrina ny SADC ny GTT Iraisam-pirenena mba handray ny andraikiny amin’ny maha tena mpanelanelana azy, hisy asa mivaingana amin’izany ary tsy hanao izay fihetsika hanome rariny ny mpanongam-panjakana. Tokony hokarakaraina maika ihany koa ny fihaonana eo amin’ny samy Malagasy izay hotarihan’ireo mpanelanelana Malagasy fantatry ny besinimaro fa tsy mitanila, hahitana vahaolana mahomby hivoahana amin’izao krizy izao.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT