Tato anatin’ny 28 volana izao dia niaina ny tsy fahita i Madagasikara vokatry ny fanonganam-panjakana nataon’i Andry Rajoelina sy ny namany, dia ny krizy politika, araka ny fahitan’ny rehetra azy, eny hatramin’izao tontolo izao dia samy manaiky izany.
. Izao tontolo izao dia nanameloka ity fanonganam-panjakana ity ary dia nisy mihitsy ny sazy vokatr’izany ka miantraika amin’ny vahoaka Malagasy. Anisan’ny sazy, ohatra, ny fampiatoan’ireo rafitra sy mpiray ombon’antoka ny fanampiana ara-bola rehetra ho an’i Madagasikara. Ny zava-misy anefa dia mbola manohy ny fanampiana ara-bola i Frantsa sy ny Banky iraisam-pirenena. Ity farany dia nanome famatsiam-bola mitentina 52 tapitrisa dolara ho fiarovana ny tontolo iainana. Manoloana izany indrindra àry dia nanoratra ho an’ity banky ity ny GTT Iraisam-pirenena. Tsy mahakasika mivantana ny maha olona mantsy, hoy ny GTT Iraisam-pirenena ny anton’ity famatsiambola ity. Ny fisiana trafikana andramena izay efa tsy atoro intsony an’izao tontolo izao, araka ny fanazavana dia ampy hampihatoana ny famatsiam-bola satria dia mamotika ny tontolo iainana tokoa ny fandripahana ireo hazo sarobidy.
Ankoatra izay dia nomarihin’ny GTT Iraisam-pirenena fa tsy misy fanjakana eto Madagasikara satria tsy manana ny rariny ary tsy ara-dalàna ny fahefana mijoro ankehitriny ary tsy hankatoavin’izao tontolo izao ihany koa. Noho izany, izay fanampiana na fifanarahana soniavina miaraka amin’ny FAT dia karazan’ny fankatoavana azy ary mpiray petsapetsa amin’i Andry Rajoelina sy ireo namany, hoy ity Vondron’ny Malagasy Tia Tanindrazana ity. Ny famatsiana ara-bola ny FAT, hoy izy ireo, dia fanampiana amin’ny fitazonana ireo mpanongam-panjakana eo amin’ny fitondrana ary dia hanohintohina ny fikarohana vahaolana hiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna.
Manoloana izany rehetra izany àry dia manao antso amin’ireo mpamatsy volan’i Madagasikara rehetra ny GTT Iraisam-pirenena hanohy ny fampiharana ny sazy. Miantso ny Banky iraisam-pirenena sy i Frantsa koa ity vondrona ity mba hiray feo amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ireo mpamatsy vola hafa toa an’i Etazonia sy ny Vondrona Eoropeanina. Tsy ekena, hoy ny GTT Iraisam-pirenena raha ho lasa trosa tsy maintsy aloan’ny Malagasy ny vola omena ny FAT kanefa tato anatin’ny roa taona monja dia nitombo 9% be izao ny tahan’ny fahantrana.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.