Politique

GTT International Nohamafisina ny maha-filoha an-dRahaga Lala


  • Alatsinainy 09 Aogositra 2010


Ny sabotsy 07 aogositra lasa teo dia nanao fivoriambe tsy ara-potoana tao Savigny-le- Temple ny GTT International manana ny foibeny ao Suisse. Nanatrika ny fihaonana ny GTT avy aty Madagasikara, Belgique, GTT Centre, ny avy atsy la Réunion, SRA, Angers, Caen, ary Bordeaux. Araka ny fantatra dia nohamarinina ny maha ara-dalàna ireo mpanorina ny GTT International, ka filohan’izany Rtoa Rahaga Lala. Tamin’ity fihaonambe tsy ara-potoana ity no nanapahana fa hisy ny fihaonambe na Assemblée Générale Ordinaire hataon’ny GTT International ao Paris ny 28 aogositra ho avy izao. Nahazo fampitandremana ihany koa ireo mpikambana roa eo anivon’ny GTT International dia Christian Lehmann sy Patricia Lehmann noho ny fihetsika tsy nifanaraka tamin’ny etikan’ny fikambanana, sy ny fikasana hanongana ny birao.

 
Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT