Politique

GTT International Miantso ny CPA handray andraikitra


  • Talata 05 Jolay 2011

Nandefa taratasy any amin’ny Filankevitra misahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana (CPA) eo anivon’ny Vondrona Afrikanina ny GTT International, mialoha ny fivoriana hataony handinihana ny sori-dalana hamoahana an’i Madagasikara amin’ny krizy.

 . Ao anatin’izany taratasy izany no iantsoan’izy ireo ny SADC sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena handray andraikitra feno manoloana ny fihantsiana ataon’ny FAT. «Tandindomin-doza ny filaminana ara-tsosialy any Madagasikara ary efa tena halohalika ny rano any an-toerana, ka tsy tokony havelanareo fotsiny amin’izao ireo fahavalon’ny demokrasia satria efa nijaly loatra ny kontinantantsika”, hoy ilay taratasy. Ankoatra izay dia mangataka ny hampiasan’ny SADC sy ny Vondrona Afrikanina ny fomba rehetra, eny hatramin’ny hery aza hampanekena an’i Andry Rajoelina hampihatra izay tapaka tany Sandton, ny GTT International. Eo koa ny fanampian’ny CPA amin’ny fiarovana ny filoha Marc Ravalomanana, ny famoahana ireo gadra politika rehetra sy ny fampiharana ireo sazy natokana ho an’ny mpanongam-panjakana, araka izay nanaovan’ireo Parlemanta eoropeanina antso avo ihany koa. Efa voaporofo, hoy ihany ny GTT International fa dia i Andry Rajoelina no tena sakana amin’ny fikaroham-bahaolana iraisana sy tenierana satria aleony rendrika ny firenena toy izay hifampidinika hikarohana filaminana ara-tsosialy.

 

Nangonin’i Soa

  

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT